airtel

Politique

24-mai-2022

Politique

Fandrisiana an-dRajoelina hirotsaka Fitiavan-tseza sa fahajambana politika ?

Sample post image

Taorian’ireo depiote volomboasary sasany izay efa niantso ny hirotsahan’ny Filoha am-perinasa Andry Rajoelina hofidiana indray amin’ny 2023, dia minisitra mpikamban’ny governemanta indray no niantso izany nandritra ny diany

24-mai-2022

tany Ihosy ny faran’ny herinandro teo. Fomba fiady ara-politika io, miteny na ampitenenina ireo mpanohana mba hiantso ny fitrotsahana indray. Tsy misy mandrara ny firotsahan-kofidiany fanindroany satria na ny lalàmpanorenana aza dia mametraka fa afaka mbola hofidiana ny filoha nahavita fe-potoam-piasana iray. Na izany aza, misy zavatra mba mampieritreritra ihany, satria efa endrika tsy fahamatorana sy lainga tamin’ny vahoaka ny hoe: efa niomana 5 taona ary tsy mila mpamatsy vola mahazatra fa mampahantra. Teo ihany koa ny nilazana fa hovitaina ao anatin’ny 5 taona ny fampandrosoana tsy vitan’ny teo aloha 60 taona. Mivadi-dela indray anefa rehefa tsy tanteraka ny fampanantenana poakaty maro, fa mila fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika in’efatra raha te handroso izany hoe: 20 taona izany? Nolazaina indray fa tsy vita ao anatin’ny 2 na 3 taona ny fandrosoana. Fa inona no tena marina fa mifanohitra hatrany izay ambara? Endriky ny tsy fahamatorana ireny, ary hitsarana fa tsy dia azo itokisana intsony ilay filoha.Ankoatra izay, aiza ve ka olona efa tsy nitondra 13 taona no mbola henjehina sy hanilihana ny tsy fahombiazana. Aleo tsiahivina foana fa 7,1% ny tahan’ny fiakaran’ny harin-karena ny 2008 saingy naongana ny fitondrana tamin’izany. Nitotongana tany amin’ny 3,3% tamin’ny tetezamita, ary nakarin’ilay Filoha teo aloha izay nenjehina mafy ho 5,4%, saingy 8% no azon’ity farany tamin’ny fifidianana 2018. Mbola mihiratra ve ny mason-tsaina sy ny masom-panahin’ireo mandrisika ny filoha Rajoelina hirotsaka sa dia noho ny fitiavan-tseza mba tsy ho very fihinanana ?

Toky R
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap