airtel

Politique

03-déc-2025

Fanehoan-kevitra mikasika

zandary nandoro volom-behivavy

Sample post image

Tsy fantatra mazava ny misy an’i Faniry

03-déc-2025

Avoahay tsy misy hatak’andro i Faniry, hoy ny mpampaneno lakolosy, Stan’ley Ramarovelo, omaly. Faniry, ilay tovovavy 24 taona, nanao fanehoan-kevitra mikasika ny raharaha zandary nandoro volom-behivavy, izay horonantsary niparitaka tao anatin’ireny tolona nisy teto amin’ny firenena farany teo ireny. Tandremo, hoy ity mpampaneno lakolosy ity, ahitànay marika mangana na maratra izy mivoaka tao fa hifampitady eto isika. Nosamborin’ny zandary i Faniry, hoy i Stan’ley Ramarovelo. Mpikambana feno ao amin’ny GEN Z Vakinankaratra io tovovavy io. Tonga tampoka tao an-tranony ny zandary miisa 4, vehivavy ny 1 ary lehilahy ny 3, naka azy, hoy ny reniny. Rehefa tonga teny amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena, distrikan’i Mandoto, i Faniry vao nahalala fa ny fanehoan-keviny tamin’ny ranty iray tanaty tambazotran-tserasera Facebook, izay nisy ny fandoroana volom-behivavy nataon’ny zandary iray, nandritry ny hetsi-bahoaka no antony nisamborana azy. Rehefa nanontaniana ny teo anivon’ny lehiben’ny zandary ao Mandoto dia nilaza fa tsy ilay zandary nandoro ilay volon’olona ity notondroin’i Faniry ity fa hafa mihitsy. Voatery nametraka fitoriana, hoy ny fanazavàna, ilay nosora-potaka. Tsy fantatra mazava ny misy an’i Faniry, raha ny voalaza hatramin’ny omaly hatrany, ka manao antso avo ny fianakaviany sy ny namany ao amin’ny GEN Z ny amin’ny hamoahana azy tsy misy hatak’andro.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap