airtel

Politique

23-janv-2026

Fanendrena PDS ao Toliara

Tsy mahalala sy tsy nanasoa didy ny Minisitry ny atitany

Sample post image

Nanaitra ny resaka nataon’ny Minisitry ny

23-janv-2026

atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Atoa Rakotonandrasana Velonjara Tiaray mikasika ny fanendrena Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Toliara I, raha naneho fa tsy mbola nanasonia ny didy fanendrena, kanefa izy tenany no tokony hanao izany. « Miteny momba an’i Toliara ianao, hatreto aloha ny fantatro momba an’i Toliara,ny didim-pitsarana nivoaka dia hoe tendrena vonjimaika ny lefitry ny ben’ny tanàna, hanohy ny raharaha aloha eo anivon’ny Kaominina ambonivohitr’i Toliara. Izay aloha no fantatro, fa hatreto ny Minisiteran’ny atitany mbola tsy naharay didy avy any amin’ny « conseil d’Etat » na didy avy any amin’ny « Tribunal administratif » milaza fa banga ny toerana ben’ny tanàna ao Toliara, fa rehefa tonga izay fotoana izay, dia tsy maintsy miroso amin’ny fametrahana « Délégation Spéciale » ny Minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana », hoy ny Minisitry ny atitany sy ny Fitsinaram-pahefana Minisitra Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. Raha nanontanian’ny mpanao gazety noho izany minisitra ity hoe iza izany no nandresy ny PDS ao Toliara dia nahitsy ity Minisitra ity nilaza hoe : « Tsy fantatro, fa izaho, ny Minisitry ny atitany no manasonia ny didy mametraka «délégation spéciale » dia mbola tsy nanasonia an’izay aho », hoy hatrany ity minisitra ity. Ny filankevitra monisipaly ao Toliara fa tsy ny Fitsarana no namoaka ny volana desambra 2025 fa voamarina ny fahabangan-dRabehaja Jean nandritra ny 6 volana. Ity farany izay misy milaza fa mitsabo tena, saingy tsy misy moa ny fanamarinana na fandisoana izany hatreto.
INONA MARINA NO MITRANGA ?
Araka ny lalàna, misy misandoka ve izany ny fahefam-panjakana amin’ny alalan’ny Minisitry ny atitany izay tokony ho mpanasonia ny fanendrena PDS ? Voahaja ve ny lalàna tamin’ny fanendrena ny PDS Serge Vital raha tena nisy an’izay tokoa ? Sa mbola vao fikasana no nandeha saingy niniana naparitaka mba ho lasa tsindry ara-politika ? Raha efa nisy fanendrena nandeha, moa nisy ve ny tsy fahalalana sy tsy fahafehezana ny didy aman-dalàna sa misy mampiasa ny fahefam-panjakana amin’ny fomba tsy ara-dalàna ? Na koa misy manao fisandohana andraikitra na « usurpation de pouvoir» ve ao anatin’ny Fanjakana ? Asa na mahavaly an’izany ny fanehoan-kevitry ny depiote teo aloha Rahasimanana Paul Bert na Rossy izay tsy manana andraikitra ara-panjakana raha ny fahalalana azy hoe : « Tsy nisy niteny hoe voatendry ho PDS izany fa « manipulation » na « information » ilay raha. Nisy « accord politique » niarahana, nifanarahana hialàna amin'ny « blocage » tao amin'ny « mairie » mbola orange aby,.. ». Tsy ny fanoloana ny ben’ny tanàna ho PDS no mety ho adihevitra eto satria na izy tenany aza voalaza fa tsy hita nanao ny asany intsony fa ny dingana no mifamahofaho raha tena nisy tokoa ilay fanendrena PDS araka ny resaka sy vaovao niparitaka tamin’ny haino aman-jery. Anjaran’ny Fanjakana ny manazava mba hampazava io raharaha manaratsy endrika ny fahefam-panjakana io. Raha tsy nisy ilay fanendrena dia arahaba soa arahaba tsara ! Raha nisy kosa, hisy ve ny fanapahan-kevitra hentitra eo anatrehan’ny mety fahadisoana ara-panjakana goavana raha nisy sa sanatrian’ny vava ny Minisitry nivaky mazava ny mety endrika tsy fanarahan-dalàna na nataony ankolaka aza no mety hisy hanozongozona ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap