airtel

Politique

07-juin-2021

Politique

Fanenjehana an-dRavalomanana Hampitombo ny fitiavan’olona an-dRajoelina ve ?

Sample post image

Mandany andro sy fotoana amin’ny fanenjeana an’i Marc Ravalomanana ny Fanjakana tarihin’ny Filoha Rajoelina. I

07-juin-2021

zay rehetra fomba heverina fa takatry ny saina, dia hatao avokoa. Mandeha lalàna mifehy ny mpanohitra, izay lasa resabe ankehitriny, dia sahin’ny Fanjakana ny manala baraka tena amin’ny alalan’ny fanaovana lalàna vaovao mifanohitra ny lojikan’ny demokrasia kanefa ilay Filoham-pirenena no afa-baraka tanteraka ao anatiny fa tsy mitana ny teny nomeny. Ny lalàna hafahafa eo ihany, fa ny ramatahora amin’ny alalan’ny fampiasana ny mpitandro filaminana hanao famoretana mivantana na ankolaka amin’I Marc Ravalomanana manginy fotsiny. Hampiakatra ny fitiavan’ny olona an’I Andry Rajoelina ve izany sa hanamarina sy hanome sary ho tsapan’ny vahoaka fa tena tsy mahatoky valera sy tsy mahatoky tena intsony ny Fanjakana ka migafy sy mamoritra izay atahorany ara-politika sisa hevitra? Inona no tena atahorana an’I Marc Ravalomanana raha tena mino sy mahatoky fa lany tamin’ny fomba ara-dalàna ary resy lahatra ny asa sy programam-panjakana ny vahoaka? Vao mainka lasa propagandy ho an’ilay henjehina izy, ary manaporofo fa mbola manana tanjaka politika sy atahorana mafy I Marc Ravalomanana matoa henjehina sy hanaovana ramatahora. Matoa tonga any amina gafy fandrangarangana hery, dia ny Fanjakana aza mety tsy resy lahatra fa ampy hankasitrahan’ny vahoaka azy ny fomba fiasany, ny programa tanterahany,… hany ka tsy maintsy mitady izay fomba handemena ara-tsaina sy ara-batana ny mpifandrina ara-politika, kanefa vao mainka midi-kizo.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap