airtel

Politique

15-avril-2022

Politique

Fanenjehana, fanagadrana,… Mahita faisana izay azon’ity Fitondrana ity

Sample post image

Notondroina sy nosoketaina ho Filoha mpanao jadona ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ary natao fitaovana nentina nanonganana azy mihitsy izany.

15-avril-2022

 Ankehitriny anefa, mirarakopana ny fanenjehana sy fanagadrana olona ataon’ny Fanjakana Rajoelina. Maro ireo tsy mitovy hevitra tratry ny fanenjahana. Mampiteny ny moana ny fanapenam-bava an’ireo sahy mamaky bantsilana ny afera sy ahiahina kolikoly avo lenta. Ny fanagadrana ara-politika moa tsy takonana hafenina intsony. Tsy ampy iray volana nahazoana fahefana, no nisamborana an’i Mbola Rajaonah ny 13 febroary 2019, ary mbola tsy misy fitsarana hatramin’izao. Nosamborina ny 01 jona 2020, ary nidoboka am-ponja nanomboka ny i Berija Ravelomanantsoa noho ny fanehoan-kevitra tao anatin’ny tambajotran-tserasera, nohelohina 44 volana an-tranomaizina. Nogadraina i Rolly Mercia izay notondroina ho nijoro vavolombelona mandainga tamin’ny dosie Mamy Ravatomanga ary notondroina ho tao ambadika fihetsiketsehana tsy ara-dalàna. Olom-boafidy ao anatin’ny fitondrana no voalaza fa nanarama vavolombelona mandainga handetika an’i Rolly Mercia ka na efa nitsotra aza io fa tsy misy hidiran’ity minisitra ity, dia vao mainka nalentika izy, izay nohelohina 44 volana an-tranomaizina, araka ny didy nivoaka ny oktobra 2020. Nosamborina sy nalefa any am-ponja i Bearri Nirina Marcellin,… Ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa izay efa natao nahita ny tsy fahita tany Antanimora. Nogadraina 3 volana tany am-ponja ireo olona miisa 12 nosamborina teny Analakely sy ny manodidina tamin’ny hetsika fidinana an-dalambe teny Analakely ny 21 febroary 2021, kanefa tsy mangazay vaky, tsy fandrobana niseho. Ny tany Ikongo saika hogadraina I Andry Tafaray sahy namoaka ny vaovao momba ny fizarana vary tamin’ny madco sy menaka tamin’ny sotro raha tsy nijoro niaro azy ireo olobe sy ny fokonolona. Nogadraina i Randriamanana Jeannot sahy namoaka tamin’ny tambajotran-tserasera momba ny olona nitaky vary tsinjo tany Nosy Varika sy ny raharaha mahakasika tompon’andraikitra momba ny fampianarana any an-toerana,… NY

MAMAKY BANTSILANA
Ny olona mahasahy mamoaka ny tsy raharaha maloton’ny Fanjakana, dia na any am-ponja na horohoroina amin’ny raharaham-pitsarana. I Ravo Nambinina Ramasomanana izay mpiasa mpanara-maso ny tsenam-panjakana (PRMP) indray no notorian’ny Fanjakana rehefa namoaka fa volabe hatrany amin’ny 40 miliara no navoaka tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana tamin’ny andron’ny coronavirus saingy tsy tafaverina manontolo, volabe hatrany amin’ny 730 tapitrisa Ar nandokoana hopitaly manara-penitra, dosie hosoka no nampiasaina tamin’ny tsenam-panjakana momba ny Centre de Transplantation rénale misy tsenam-panjakana manodidina ny 900 tapitrisa Ar. Nolazaina ho manala baraka ny fitondram-panjakana ary efa tratry ny fanamelohana, mbola notorian’ny zandary noho ny fivoahan’ny fiantsoana misy laharana an-taroby an’ny mpitandro ny filaminana ary amin’ity volana ity ny fitsarana. Ny raharaha nanaovany fitoriana tsy misy tohiny, fa naman’ny vitavita ho azy, kanefa ny valin’ny tatitra nataon’ny Fitsarana mikasika ny vola momba ny fitantanana ny volan’ny covid-19 feno afera tsy mazava. Io indray ny raharaha Clémence Raharinirina, izay sahy nijoro sy nitsikera ny fitantanana hafahafa ao anatin’ny Kaominina Antananarivo tahaka ilay raharaha 11 miliara volan’ny beantitra tao amin’ny CNaPS,… Ny tao amin’ny CNaPS ireo mpiasa namoaka ny dosie momba ny raharaha kolikoly avo lenta indray no notoriana, saingy afaka.

Toky R
 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap