Omaly, mbola nitohy io. « Nandritra ny Fihaonamben'ireo Mpandraharaha avy amin'ireo firenena miteny Frantsay tao Paris 'Rencontre des Entrepreneurs Francophone" izay nanasàna ny Filoham-pirenena Malagasy sy ireo mpanam-pahefana maro samihafa avy amin'ny firenena maro ary ireo mpandraharaha, dia nisy andian'olona vitsy kely miisa 4 teo izay avy amin'ireo RMDM Diaspora notarihan'i Fanirisoa Erinaivo tonga teo an-toerana nikasa hanakorontana sy higafy ny lanonana ary saika hanao barofo hiditra tao anatin'ny toerana fivoriana kanefa tsy nahazo fanasàna no noroahan'ireo Polisy mpiambina teo an-toerana saingy be famaliana sy mbola nidongizina nakanaka sary teo ka saika nosamborin'ireo mpitandro filaminana ka vaky nandositra avy hatrany. Mpanohitra bontolo, tsy mahalala menatra…”, hoy ny andaniny. “Misy manely tsaho hoe nosamborin’ny polisy aho. Nijery an’ilay toerana izahay hoe inona izany toerana hanaovan’izy ireo fihaonana izany. Nijery ilay toerana izahay satria nangataka fahazoan-dàlana hanao fihetsiketsehana, saingy tsy misy toerana malalaka eo, ka eo anoloan’ny masoivoho ihany no mety amintsika satria eo omby olona be dia be. Rahampitso (anio) dia zavatra hafa no ataonay, fa “surprise”, fa amin’ny zoma sy sabotsy dia nahazo fahazoan-dàlana isika hanao fihetsiketsehana eo amin’ny masoivoho. Miteny amintsika rehetra hoe aza mety fendrofendroin’ireo. Lazaina fa voasambotra i Fanirisoa, ka mbola tsy teraka ny olona hisambotra ahy, mbola tsy teraka eto Frantsa. Aty toeran’ny demokrasia ka tsy misy olona sambotsamborina izany satria hoe tsy mahafaly an’I Andry Rajoelina. Amin’ny zoma sy sabotsy no fotoana, aza misy matahotra, mitondra sarom-bilany, kiririoka,… Tongava daholo fa tsy misy atahorana, fa matahotra ireo, izay no mahatonga an’ireo manely tsaho”, hoy kosa I Fanirisoa Ernaivo. Lasin’ady na fivoriana hanehoana ny tsy fankasitrahana io Fanjakana io sy ny fitakiana ny fialan’i Andry Rajoelina, hoy i Fanirisoa Ernaivo. Andrasana indray izay ho tohiny.
Toky R
Manahiran-tsaina tanteraka sy tena mampanofy ratsy ny Fanjakana ankehitriny Atoa Marc Ravalomanana, izay atahorana mafy ara-politika. Arakaraka ny hihetraketrahana azy no toa vao mainka mampahazo vahana azy.
Mangingina tsy re feo firy indray ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Ntsay Christian. Tsy dia hita tabilao firy, ary efa matetika io.
Nivoaka omaly ny gazety boky Demokrasia laharana faha 13 izay famoakan’ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy tany tan-dalana na HCDDED isan-telo volana.
Isany voaresaka ato amin’ny laharana faha 13 amin’ny gazety boky Demokrasia izay navoakanay, hoy ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalana na HCDDED tetsy amin’ny biraon’izy ireo
Mampahatsiahy ny 20 taona dia ny 2002 izay fotoana nampamaivay ny raharaham-pirenena teto amin’ny tany sy ny fanjakana ankehitriny, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Tambohobe,
Herintaona sy tapany sisa hananan’ny Fitondrana Rajoelina hanatanterahany ny veliranony, hanentsenana ny lavaky ny tsy fahaiza-mitantana. Ho sarotra izany, raha tarafina amin’ny fomba fiasa hatramin’izay.