airtel

Politique

13-avril-2022

Politique

Fanirisoa Ernaivo Mbola mitohy ny dosie Ravatomanga

Sample post image

Mifoha indray ny dosien Atoa Mamy Ravatomanga mpandraharaha mpanefoefo eto Madagasikara Tsy hamelan dry Fanirisoa Ernaivo fa fongoriny sy hitadiavany làlana hatrany

13-avril-2022

Raha naneho ity mpandraharaha matanjaka ity ny 01 aprily lasa teo, fa efa milamina ny raharaha fanenjehana azy momba ny ahiahy fanangonan-karena tsy ara-drariny tany Frantsa, dia niporitsaka indray ny dosie avy amin-dry Faniry Ernaivo fa mbola tsy afa-bela Atoa Mamy Ravatomanga. Ny 07 febroary lasa teo mantsy, nisy ny taratasy nalefan’ny mpisolovava Amélie Lefebre mpiaro an’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia tamin’ny PNF (Parquet National Financier) any Paris, momba ny dosie fitoriana an’i Mamy Ravatomanga, izay nijoroan’i Rolly Mercia vavolombelona. Nanontany na efa nikatona ny fanadihadiana na mbola mitohy, ary nampahafantatra fa mbola tazonina am-ponja ny vavolombelona. Tsy niandry ela fa ny 8 febroary, dia efa nivoaka ny valin’io, ka namaly ny tonia mpampanoa lalàna Quentin Dandoy Vice procureur financier fa misy ny fanokafana fanadihadiana savaranonando, ary mbola mandeha ny dosie. Tsara ny manamarika fa nijoro vavolombelona nandetika an’i Mamy Ravatomanga ho manao trafikana boaderozy, mangoron-karena tsy ara-drariny,… i Rolly Mercia. Notorian’i Mamy Ravatomanga nanao fijoroana vavolombelona tsy marina, ary nidoboka any Antanimora nanomboka ny jolay 2020. Nilaza koa Atoa Mamy Ravatomanga, fa tsy misy mitombina ny fanenjehana fa fanalam-baraka ary efa noafahan’ny fitsarana izy, miverina aminy ny fananany. Io nanaovan’i Faniry Ernaivo sy ny ekipany ampamoaka io indray anefa ka lazainy fa tsy marina ny voalazan’ity mpandraharaha malaza ity. “Lainga be izany ny nilazany fa efa nohafahan’ny “Cour d’appel” izy. Mbola hitohy io raharaha io, ny famotsiam-bola sy fanaovana hosoka ara-ketra dia melohin’ny lalàna”, hoy i Faniry Ernaivo. Asa hanao ahoana re no hiafaran’ity fifanenjehana ity e? Tantara mitohy !
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap