airtel

Politique

11-mai-2022

Politique

Fanjakana be resaka Mihirahira ho nanombok’asa no sady mipropagandy ihany

Sample post image

Natomboka omaly 10 mey ny asa fanamboarana sy ny fanavaozana ny tetezan’Antsampazana sy ny tetezan’i Mangoro eo amin’ny lalam-pirenena faha 2.

11-mai-2022

Izao tetikasa izao dia vokatry ny fiaraha-miasan'ny Governemanta Malagasy sy ny Governemanta Japoney, amin’ny alalan’ny JICA Madagascar ary anisan'ny nosoniavin'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, nandritry ny TICAD 7 tao Yokohama tamin’ny taona 2019, hoy ny fampitam-baovao. Efa tamin'ny andron'ny fanjanahantany no nanorenana ireo tetezana miisa 2 ireo ary ankehitriny izy ireo vao misitraka fanitarana sy fanamboarana ary natao indrindra hifanahaka amin’ny fitomboan'ny isan’ny fiara mifamezivezy amin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Lalam-pirenena izay lalan-dràn’ny nosy satria mampitohy an’Antananarivo sy ny seranan-tsambon’i Toamasina izay eo an-dalam-panitarana. Mirefy 30m ny tetezan’Antsampazana vao hamboarina ary 102m kosa ny tetezan’i Mangoro. Tsy hifampiandry intsony ny fiara mifanena rehefa vita ireto fotodrafitrasa ireto satria halalaka tsara hahafahan’ny fiara mifanena ny fotodrafitrasa natomboka no sady hisy “trottoir” natokana ho an’ny mpandeha tongotra. Tsara ny manamarika fa ilay tetezan’i Mangoro teo aloha dia hajanona eo ihany mba hizoran’ny lamasinina toy ny teo aloha. Ny tetezan’Antsampazana teo aloha kosa dia ho ravana hananganana tetezana vaovao mihitsy. Tsy maintsy miasa isika hoy ny filoha Andry Rajoelina, miasa mitondra vahaolana, manangana tetikasa sy fotodrafitrasa mitondra fivoarana ary mampandroso an’i Madagasikara, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Araka izany dia mitohy hatrany ny fihirahiran’ity fitondrana ity fa izy irery hatrany no nanomboka io asa sy fanavaozana rehetra misy eran’ny tanana io. Ary raha sary hita omaly, tany Amparafaravola dia maro no nihevitra hoe efa raikitra izany ny proopagandy fifidianana Filoha ; fa dia izay mihitsy no endrik’ilay famoriam-bahoaka miaraka amin’ny dihy sy hira, tsy adino ny sorabaventy sy ny fammpanantenana.


Natolotra ho an’ny vahoakan’ny Faritra Alaotra Mangoro omaly ny fotodrafitrasa fitarihan-drano lehibe PC 23 izay natsaraina sy nohavaozina tanteraka. Tetikasa izay niarahan’ny Fitondram-panjakana tamin’ny Governemanta japoney tamin’ny alalan’ny JICA Madagascar. Hanondraka fambolena hatramin’ny 10.000ha ao amin’ny faritra atsimo andrefan’ny farihin’Alaotra izy ity. Nitarina ny toha-drano ary narenina sy natsaraina ireo fantsona fitarihan-drano mirefy 60km.
J. Mirija
 

 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap