airtel

Politique

02-nov-2021

Politique

Fanjakana mamita-tena Milalao sary hilazana fa mbola mamim-bahoaka

Sample post image

Sahirana ireo mpiaro ny fitondrana noho ny zava-misy. Ireo mety migoka tombotsoa sy matahotra ny ho very fihinanana sisa miady mafy.

02-nov-2021

 Misy ny mety tena te hiaro ny filoha kanefa sosotra amin’ny ekipany sasany. Tsy te ho ratsy eo anivon’ny fiarahamonina ihany koa. Efa tena maro ireo nisafidy ny hangiana. Tsindraindray ihany vao miseho na miteny, eny fa na ireo politisianina anaty fitondrana aza. Ireo mpanao bontolo ihany no be resaka anaty tambajotran-tserasera, misy miafina na manarama kaonty fako,... Raha any anaty fiarahamonina dia efa hita taratra hoe nihena ny sahy mijoro hoe TGV na IRD na MAPAR. Ilay anarana ihany koa moa tsy fantatra intsony hoe inona marina? Io aza dia efa mampifanditra ny samy volomboasary. Ny zary ezahina voizina dia ny ambara fa fahazakana vahoaka rehefa mitety faritra. “Tany Sambava, difotry ny olona, ary tian’ny olona. Tokony jerena ny “côte de popularité” rehefa mivoaka. Tonga dia falifaly fotsiny ny olona mahita ny Filoha, mikopakopaka,… Amin’ny facebook no mihena, fa rehefa tena eny an-kianja tian’ny olona…”, hoy Rtoa Rinah Rakotomanga. “Na inona na inona aloha holazaina sy hoforonina, ny zava-misy eny an-kianja, hoy aho, tsy izay terena hinoan’ny olona ety amin’ny tambajotra. Na aiza na aiza alehany, tsy miova, ary mety mitombo lavitra aza ny fitiavan’ny olona ny Filoha Rajoelina. Izay ilay fiteniko foana hoe ny olona, hoy aho, tsy adala, na vokisanao lainga sy tsaho eto aza izy ireo isan’andro entinao manaratsy ny mpitondra, misaina sy mandinika izy ireo. Dia disoin’ny zava-misy eny an-kianja foana ilay zavatra voizina amin’ny tambajotra, asa rahoviana vao ho tonga saina hoe tsy eto amin’ny tambajotra no tena fiainam-pirenena fa manerana an’i Madagasikara”, hoy kosa Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, toa avo vava ny faran’ny herinandro teo. Toa miverina indray ilay resaka 6% ny mpanao facebook, kanefa ny Fitondrana aza mitantana firenena amin’ny Facebook. Iza tokoa moa no tsy ho liana amin’ny fandalovan’ny filoha, hijery fampisehoana maimaimpoana amin’izao rotorotom-piainana izao, mety hahazo vola na zavatra,…? Mamandrika ny tenany anefa ny mpitondra raha mitaona na sanatria manery vahoaka hihoby azy rehefa mitsidika faritra. Matoa ny olona malaindaina amin’ny fandraisan’andraikitra, fanarahana fitsipika sy lalàna, manao fitokonana sy fitakiana,… dia ao raha! Tsy hoe mahavory vahoaka betsaka dia mbola ho lany filoha indray, kanefa ny fiainam-bahoaka, ny sosialy, ny toekarena, ny vidim-piainana,… tsy misy mandeha amin’ny laoniny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap