tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 25 Novembre 2022

airtel

Politique

FANJAKANA RAJOELINA Efa miady an-trano, akaiky ny farany…

Mihamafy ny krizy ao anaty fitondrana, ka isan’ny taratr’izany ny ady an-trano izay miha mampalemy hatrany ny Fanjakana volomboasary. Raha fanamafisana orina ny Fitondrana no nanendrena olona avy amin’ny Antoko samihafa niara-dia tamin’izao fitondrana izao,

20-sept-2022

Sample post image

dia vao mainka namparefo azy ny sasany, izay nisy ny toa nanabe voho ny antokony, ary mbola manangam-bovona hatramin’izao, ary tao ny efa nisintaka sy nesorina. Isan’ny tao anatin’ny Fitondrana, ohatra, ny antoko maitso, saingy nailika, niaraha-nahita ny ady an-tranon’ny Minisitra minisitra sy minisitra lefitra. Ny antoko Freedom an-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy toa lasa mandrafy ny IRD raha tarafina amin’ny zava-misy any Bongolava, hany ka toa lasa misy ankolafy roa hatramin’ny olom-panjakana ambony hoe: ny Minisitry ny serasera manana ny tariny manokana, ary ny Sekretera nasionalin’ny TGV manana ny olony. Mbola raharaha Bongolava hatrany, dia io vaky am-batolampy io ihany koa ny adina governora sy préfet, taorian’ny depiote sy governora. Io iaraha-mahita io ihany koa ny adin’ny Minisitry ny serasera sy ny Filohan’ny Sendikan’ny Adminisitera sivily Atoa Paolo Raholinarivo izay tsy nitsitsy firenenana nilaza fa ity Minisitra ity no isan’ny manaratsy endrika ny governemanta, mitsabaka etsy sy eroa, milaza fa tokony hiala izay manao ny tsy mety ka izy no tokony hanao izany voalohany,… Tao anatin’ny fitondrana ihany koa ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga), saingy mahasahy milaza ankehitriny fa nihemotra ny firenena ara-toekarena, ara-pahantrana,… ary tompon’andraikitra feno amin’izany ny fitondrana ankehitriny. Tany misy olobe tsy miady zaza araka ny fomba fiteny, saingy efa tsy voasoroka sy tsy voalamin’ny Filoham-pirenena intsony ny ady an-tranon’ny samy mpomba azy ankehitriny. Efa nisy fotoana aza toa ny Filoham-pirenena mihitsy no nandrafy sy nanenjika ny olon’ny volomboasary, raha tsy hilaza afatsy ny natao ny Depioten’I Ikongo sady Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Brunelle Razafitsiandraofa raha nanakiana naneho fa tsy ny teleferika no tokony ho laharam-pahamehana fa ny distrika manerana ny Nosy aloha no mila ampifandraisina. Efa nifandramatra io depiote io ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha Rtoa Rinah Rakotomanga,… Io ihany koa ny Jeneraly Sekreteram-panjakana nitondra hafatra mivaivay momba ny fanehoan-kevitr’ity depiote ity fa tokony hofoanana ny zandarimariam-pirenena. Efa nisy ihany koa minisitra samy minisitra mifanipy hoditr’akondro raha tsy hilaza afatsy ny an’ny Atoa Tinoka Roberto sy Joel Randriamandranto tamin’ny raharaha valizy misy kodiarana. Ny Minisitry ny fitaterana Rolladn Ranjatoelina norefesin-dRtoa Rinah Rakotomanga, tsy nahala azy tamin’ny toerana, tsy foana ny Madagascar Airlines izay notondroiny ho tsy ara-dalàna,… Na ny afera maloto mahavoatonona olona ambony maro io aza, ny samy olon’ny fitondrana ihany no manapasaka azy, fa tsy hisy mpanohitra tena hahalala ny aty vilany, hany ka hatramin’ny Minisitra, governora,… mirefotra avokoa ny dosie hafahafa.
LALANA MAKANY AMIN’NY MANGA MASAKA…
Na ao anaty governemanta aza indraindray toa mitady ho misy ankolafy izany, misy toa tsy azo kitikitihina na manao ny tsy mety aza satria manana lamosina goavana. Tany aloha efa nisy depiote mitandroka minisitra, raha tsy hilaza afatsy ry Naivo Raholdina nanenjika minisitry ny fitsarana teo aloha, nanenjika minisitry ny fanajariana ny tany fony Atoa Hajo Andrianainarivelo teo amin’izany toerana izany. Efa nisy ny adin’ny depiote Rahantanirina Lalao izay Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sy ny governoran’I Boeny, izay toa ny Praiminisitra no nandravondravona azy. Efa nisy depiote nifampilako tamin’ny ben’ny tanàna,… Ampahany ireny fa betsaka ireo endriky ny ady an-trano na filàna ady ao any ivelan’ny fitondrana, izay toa efa sary maneho fa miha akaiky ny farany ao anatin’izao fitondrana izao. Ny raharaham-panjakana anefa ambony ambany, ny fitakiana samihafa mirongatra, ny sosialy sy ny toekarena mijotso hatrany,… Ny ao anatiny aza misy efa tena mifamango, izay làlana mizotra makany amin’ny manga masaka
? Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Eliace Ralaiarimanana “Hadio Antananarivo manomboka eto”
25-nov-2022

Nihaona tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina, aho anio (TTF: omaly), hoy ny mpanao politika Kristianina sady kandida ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha, Eliace Ralaiarimanana.

Card image cap
Fanjakana tia manenjika sy managadra Manivana moka fa mitelina rameva, tojo ny taolana…
25-nov-2022

Nanakoako ny fanambaran’ireo firenen-dehibe sy vondrona iraisam-pirenena omaly naneho fa manohana ny vahoaka Malagasy sy ny governemanta ary ny fiarahamonim-pirenena amin'ny ady amin'ny kolikoly,

Card image cap
Alain Andriamiseza “Rehefa mitarika fanorenana ifotony dia namanay”
24-nov-2022

Hiroso amin’ny fikaonandoham-pirenena izahay na iza vonona na iza tsy vonona, hoy ny mpanao politika, Alain Andriamiseza. Na iza hanao na iza tsy hanao, hoy izy.

Card image cap
Fikaonandoham-pirenena Raisina ao Antaninarenina rahampitso ireo volavolan-kevitra
24-nov-2022

Ho tohin’ny fanambarana ny 31 oktobra 2022 tao Bel’air sy ny tao amin’ny Soimanga Manakambahiny ny 14

Card image cap
Toe-draharaha politika mafana Tonga manao fakan-kevitra eto ny SADC
24-nov-2022

Manatanteraka iraka eto Madagasikara ny iraky ny Vondrona SADC nanomboka omaly 23 novambra hatramin’ny 28 novambra ho avy izao. Isan’ny heverina ho lehibe ao anatin’io ny resaka politika sy ny toe-draharaha mialohan’ny fifidianana.

Card image cap
Tsy azo atao ankamehana ny fifidianana “Mbola tsy mifampatoky isika malagasy
24-nov-2022

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny fitsanganan’ny Hetsika iombonana ho fanarenana sy fanorenana ifotony an’I Madagasikara na H.I.F.F.I.M.

Voir plus