airtel

Politique

07-juil-2021

Politique

Fanjakana Rajoelina Fampiodinan-draharaha sisa

Sample post image

Tsy tafavoaka ny baolina amin’ny ankampobeny ho an’ny Fanjakana tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Olana etsy, sakoroka eroa, savorovoro ary sy atsia,…

07-juil-2021

Tsy misy antenaina firy, fa miaina amin’ny zava-misy ny Fanjakana ankehitriny, ary karazan’ny mamono afo amin’izay olana mitranga sisa no ady eo. Marina fa nahavita fotodrafitrasa maromaro, saingy ny vokatra amin’ny ankampobeny, toy ny lafiny toekarena, sosialy, fandriampahalemana,… tsy ananan’ny Fanjakana traikefa. Tsy arakaraka ny fampanantenana mirefodrefotra sy fanovana an’I Madagasikara ho paradise, fa diso fanantenana tanteraka ny olona. Maro ireo zavatra lazaina fa hovitaina ao anatin’ny roa taona sy tapany, saingy ny hoenti-manana aloha baraingo hatrany. Marefo ny Fanjakana amin’ny diplaomasia, kanefa ny kitapom-bola hoenti-manatanteraka ny fampanantenana goavana toy ny “autoroute”, Tanamasoandro,… aza mbola vola avy any ivelany no andrasana. Betsaka ny fampanantenana, izay tsy zakan’ny tetibolam-panjakana (LFR) izay andro vitsy no nandinihana sy nandaniana azy. Tsy tena misy hoe fiovana be ny LFR, fa mitovitovy amin’ny isan-taona, fa ny fampanantenana kosa mitosaka. Mahakely finoana ny hahavitan’ny fampanantenana misavovona, izay toa resaka ambony latabatra no betsaka, fa ny fanatanterahana mbola any an-kibon’ny omby. Toa karazan’ny fampandehanan-draharaha sisa, fa raha izay tanjona ho tonga lavitra mbola misavoamboana. Ny PEM (Programme pour l’Emergence de Madagascar) aza efa tamin’ny janoary no nambara fa hampahafantarina, saingy 6 volana aty aoriana tsy hita ihany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap