airtel

Politique

24-mars-2022

Politique

Fanjakana Rajoelina Maika ny hanalo olona, tsy manana solony

Sample post image

Maika handrava hefa ity hatrany ity Fanjakana ity, ka mihazakazaka amin’ny fanesorana olona, kanefa tsy vonona amin’ny fanoloana izany.

24-mars-2022

 Maika hanala olona, kanefa ny solony tsy misy. Sehatra maro no mpisolo toerana vonjimaika no mitana ny toerana, na tsy misy mihitsy. Ny Ambasadaorontsika any ivelany, ohatra, nihazakazahana ny fanalana ireo notendren’ny Fanjakana teo aloha, saingy 3 taona aty aoriana zara raha azo isaina amin’ny rantsan-tànana ny voapetraka, ho tapitra ihany ny fe-potoana hiasana. Ny governemanta aza nisy minisitra banga am-bolana. Ny any amin’ny Minisitera samihafa, raikitra fanesorana olona hametrahana akamakama,… hany ka dia manavao hatrany. Ady hevitra ary nampifanditra ny mpanakanto sy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina ny nanesorana ny Talen’ny OMDA na ny Ofisy Malagasy momba ny zon’ny mpamorona. Ny minisitera manakiana fa nisy fitantanana tsy nety, saingy ny artista nilaza fa tsy ny Minisitera ary ivelany ary mihitsy no hahalala bebe kokoa ny ao anaty vilanin’ny OMDA fa ry zareo ao anatiny. Efa am-bolana izay ny fanesorana fa moa mba nisy solony? Izany ve ilay hoe: fitantanana manara-penitra tsy nisy tao anatin’ny 60 taona?
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap