airtel

Politique

19-déc-2022

Politique

Fanjakana Rajoelina Maro no sosotra amin’ny Minisitra Lalatiana

Sample post image

Manomboka mahasosotra ny manam-pahefana sasany ny Minisitry ny serasera sy kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. I

19-déc-2022

o iaraha-mahalala io ny karazana tambabe ataon’ny depiote azy, eny fa na ireo IRD aza. Toa andrim-panjakana iray no tsy faly aminy eo anatrehan’ny fihetsiny tamin’ilay raharaha fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Tany Bongolava, toa misy ny fifandrafiana teo aminy sy ny olon’ny IRD tarihin’ny depiote iray. Manana ny antokony manokana rahateo ity minisitra ity na manohana ny filoham-pirenena aza. Betsaka no mieritreritra sy mahita ary mahatsapa, fa tena miketrika mafy ho an’ny antokony ity Minisitra ity, fa tsy ho an’ny Fitondrana Rajoelina, hany ka na ny IRD aza efa maro no sosotra. Ankehitriny, toa mahazo kiana ihany koa ny tenany amin’ity isaky ny mihetsika dia izy no entin’ny Filoham-pirenena makany ivelany ity. Tahaka ny hoe olona mahatokin'ny Filoha mihitsy raha ny fahitana ny sary sy ny fahatokisan-tenan’ny minisitra. Indraindray toa tsy tena misy hidiran’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ny lohahevitry ny dia any ivelany, saingy hita hatrany ity Minisitra, toy ny dia tany Vienne Autriche, Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tany Etazonia, ary io vao farany teo tany Etazonia mikasika ny fiaraha-miasa ara-toeakaren’I Afrika sy Amerika. Na ny ao anatin’ny governemanta aza misy ny efa sosotra. Mandeha avy eo ny seraseran’ny Filoha toa, raha laza no notadiavina, dia tsy izay no niseho rehefa niresaka momba ny ambara fa fahombiazana amin’ny resaka famatsiam-bolan’ny MCC (Millénium Challenge Corporation). Maro amin’ireo mpandinika politika no maneho ankehitriny, fa eo anatrehan’ny efa sary ratsin’ny mpitondra ankehitriny, dia mbola mety ho avy amin’ity Tompon’andraikitra ambony iray ity no hanampy trotraka sy hihavihan'ny fanafintohinana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap