ao Moramanga, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia lasa teo. Navoitra fa efa hatramin’ny 1992 no tsy nisy ny famatsiana avy any ivelany ireo bala ireo nef amaro no ampiasan’ny tafika Malagasy azy ireo toy ny fiofanana, fanazaran-tena eny an-kianja sy ireo lanonana ara-miaramila samihafa. Misy ihany koa ireo sivily mampiasa izany amin’ireny fanodinana horonan-tsary ireny, raha ny fanamarihana. Efa manana ny fitaovana hamokarana ireo karazam-bala ireo ny ozinina miaramila Malagasy, fa tsy voatery hanafatra intsony, raha ny seraseram-panjakana. Efa ny volana mey no nalefa ny antso tolo-bidy ho an’ireo afaka mamatsy akora fototra amin’io fanamboarana bala io, ary hifarana ny 12 jolay. Zava-dehibe izany amin’ny lafiny iray satria mitombo izany ny fampitaovana hahafahan’ny tafika manamora ny asany. Ny bala fotsy dia tsy mahafaty amin’ny ankampobeny, fa mandratra kosa. Ao anatin’ny taom-piasana faharoan’ny Filoham-pirenena izay mafampana no isehoan’itony fanapahan-kevitra itony ka asa fifandrifian-javatra ve sa efa fanomanana ny mety ho fifehezana ara-politika samihafa toy ny fihetsiketsehana? Tsy finiavana hisintona lakolosy, fa fahatsapana miainga amin’ny zava-misy hoe : tena miezaka mafy manao pi-maso sy manambitamby ny tafika ny fitondrana Rajoelina. Endrika iray mbola manamafy izany ny resaka lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, toy ny fampandeferana ao anatin’ny 6 ny fampidirana mpiasam-panjakana ankoatra ny mpitandro ny filaminana. Vao nankatoavina tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra ihany koa fampiasana ny PIP (Programme d’Investissements Publics) ho fikojakojana ireo fiaramanidin’ny tafika sy ho fampanarahana fepetra ireo fotodrafitrasan’ireo fari-piarovana sy ny filaminana na ZDS. Na ara-pitaovana na arak’olona na ara-bola, dia isan’ireo tena tsara karakara ny mpitandro filaminana Malagasy izay tena zava-dehibe tokoa satria ireo ilay antsoina foana hoe : hiaro ny vahoaka sy ny fananany, tandroka aron’ny vozona,… Mitosatosaka ny galona, raha tsy hilaza afatsy ny talohan’ny fifidianana farany teo. Misy ny ezaka samihafa mikasika ny fitandroana ny filaminana, ary tena betsaka ny vokatra azo, saingy maro ihany koa ny ezaka mila atao eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana na an-tsaha na an-tanana. Betsaka mantsy ny olom-pirenena maneho, fa tena henjana ny sary miseho rehefa hiaro sezan’ny mpitondra, fa betsaka kosa ny olana na ara-pitaovana, na arak’olona, na ara-bola,… rehefa tena any anatin’ilay toe-draharaha mafana ilan’ny vahoaka vonjy ka mila jerena akaiky.
Toky R
Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy
Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.
Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao
Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».
Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,
Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara