airtel

Politique

27-juil-2022

Politique

Fanjakana tsy mahavaha olana Basy aman-tafondro no ianteherana

Sample post image

Mihasarotra ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena. Io iaraha-mahita io ny fipoahana goavan’ny vidim-piainana, ka isan’ny antony goavana ny fampiakarana ny vidin-tsolika 43%

27-juil-2022

 izay sambany teo amin’ny tantatra izany 1500 sy 1800Ar izany, eny fa na tamin’ny vidiny iraisam-pirenena nahatratra 146 dolara tamin’ny 2006 aza. Sahirana ny vahoaka, saingy nodiana adala, tsy misy fepetra ara-toekarena sy ara-tsosialy raisina. Nisy ny hoe fampiankaran-karama ho an’ny sehatra tsy miankina saingy manjavozavo tanteraka ankoatra ny karama farany 250 000Ar. Lasa fampiadiana ny mpampiasa sy ny mpiasa ny fihetsiky ny Fanjakana. Ahilika any amin’ny krizy iraisam-pirenena nandalo sy mandalo hatrany ny tsy fahaiza-mitantana, kanefa na tamin’ny tsy mbola nisy an’izany aza dia niaraha-mahita ny tsy fahombiazan’izao fitondrana izao. Zary ataon’ny olona sarisary zary tenany ny hoe: hay ve hafarana any Ukraine ihany koa ny atody, hena, anana, voamaina,… eo anatrehan’ny fidan’an'ny vidim-piainana tsy voafehy ankehitriny. Ny firenen-drehatra samy nandalo krizy sy miaina ny zava-misy iraisam-pirenena, saingy manana vahaolana, manana drafi-piarenana mazava,… fa ny fitondrana Malagasy kosa miala bala andro aman’alina. Arakaraky ny fahasarotam-piainana iainan’ny Malagasy no vao mainka mampitombo ireo aferam-panjakana vaky bantsilana hodiana adala sy ararirara fotsiny. Miharihary ny fiheverana mandrakariva ny vahoaka Malagasy ho bado sy badraodra, raha tsy hilaza afatsy ny raharaha volamena 36 kilao nanjavona tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany. Toa hodiana adala eo, ary misy zavatra toa iniana volena hanariana dia ny vahoaka, dia hadinodino ny fahasahiranana.
NY BASY NO AMPITENENINA ?
Terena hanaiky ny rehetra fa izao no mety, izao no atao hoe: asa fampandrosoana. Voizina ankehitriny fa tsy vita herintaona, roa taona, telo taona,… ny fampandrosoana ary tena niasa ny Fanjakana. Tany amin’ny propagandy anefa nolazaina fa ny tsy vitan’ireo mpitondra nifanesy tao anatin’ny 60 taona hataon’Atoa Rajoelina ao anatin’ny 5 taona. Isan’ny nilazana ny fitondrana teo aloha ho “mpampiesona” ny resaka delestazy, ka izy nampanantena 400MW izay mitovy amin’ny vitan’ny rehetra hatrizay, kinanjo io iaraha-mahita io ny delestazy izay mahery vaika, indrindra fa tato anatin’ny 7 volana. Raha marika finday, dia “Mampiesona Pro Max”, izany hoe ambony lavitra noho ny an’Atoa Rajaonarimampianina izany ny azy. Tao anatin’ny 3 taona, nitombo 7% be izao ny tahan’ny Malagasy mahantra satria 73% lasa 81%. Tsy marin-toerana intsony ny Fanjakana no tsy fahombiazany, saingy izay sahy mijoro maneho fa tsy mety intsony izao, dia basy aman-tafondro no miandry, ka ireny ambaran’ny mpanohitra ireny fa efa “Etat terroriste” no eto. Ny fitaovam-piadiana sisa no hampanekena ny olona ny fahefam-panjakana, ny fomba fiasany anefa tsy miova fa mbola ny ataony ihany no ataony, fitantanana feno afera sy fangoronan-karena,… fa ny vahoaka mifafa ny kihony.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap