Miezaka hatrany manasa atidoha sy mitady zavatra hanilihana. Zary ny mpanohitra indray no ezahin’ny Fanjakana ankehitriny hanadiovan-tena, ka lazaina fa raha ny mpanohitra aza no teo mety 10 000Ar ny vidin-tsolika. Raha hadika mazava ny tiana hahatongavana amin’io dia hoe: maivana sy mbola azo hiafiana io, fa raha ny mpanohitra no teo vao mainka zava-doza. Fa aiza ilay hoe: izahay izao no eto dia avelao izahay no hitondra no mbola manilika lava ihany. Aiza ilay hoe: Izahay izao no mitondra dia aleo izahay hiasa? Angaha ny mpanohitra no tompon’ny fahefana sy ny fanapahan-kevitra? Ahilika any amin’izay rehetra azo hanilihana azy ny tsy fahombiazana. Ekena ny fiantraikan’ny olana vokatry ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tahaka ny coronavirus, ny ady any Ukraine,… saingy miharihary ihany koa ny tsy fahaiza-mitantana. Tsy vao amin’izao fiakaran’ny vidin-tsolika izao no nidangana ny vidim-piainana, fa efa hatramin’ny niantombohan’ity Fanjakana ity. Tsy sasatry ny mahazo fanairana sy kiana avy amin’ny iraisam-pirenena: demokrasia, tsy fangaraharam-pitantanana, fitomboan’ny fahantrana, tsy fahalalana ny tokony ho laharam-pahamehana,… Zavatra telo no mampahantra sy mampihemotra firenena: loza voajanahary goavam-be, ady an-trano, ary tsy fahaiza-mitantana, ka isan’ny tena antony eto amintsika io farany io, ary miteny ho azy ny tarehimarika iraisam-pirenena samihafa. Mbola any amin’ny fanoherana no handaniana ron-doha, fa tsy ny fomba hiatrehana ny fiantraikan’ny fanapahan-kevitra nampiakarana be ny vidin-tsolika, izay tsy mbola nisy tahaka izao tao anatin’ny 60 taona. Mandeha ny fampahatsiahivana fa efa tafiakatra 146 dolara ny vidin-tsolika tamin’ny taona 2006, raha toa ka mahery kelin’ny 100 dolara ny ankehitriny. Tsy nisy fampiakaram-bidy nirefotra be manodidina ny 2000Ar avy hatrany tamin’izany, ary mbola manodidina an’io 2000Ar io aza ny vidin-tsolika tamin’ny fotoan’androny. Raha ny tokony ho lojika amin’izao, ny fitadiavam-bahaolana hamahana ny fiantraikan’ny zava-misy amin’ny toekarena sy ny sosialy tsy hivadihany ho krizy ara-politika no himasoana. Mbola ny fifanasana vangy amin’ny mpanohitra ihany anefa no hihazakazahana ankehitriny, mba hanadiovan-tena.
Toky R
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,