airtel

Politique

27-juin-2022

Politique

Fanjonoana vahoaka Tombola indray no nanambatambazana olona

Sample post image

Tsy finiavana hitsikera fa hita taratra hatrany ny endrika fanehoana fitiavan-tanindrazana hafahafa ary tsy fahita tato anatin'ny 62 taona miaraka amin'ny dokam-barotra sy fitapitaka kely foana.

27-juin-2022

“Tombola” indray no nisarihana sy nanambazana ny olona ho tonga tetsy amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina omaly, fotoana nanamarihana ny faha-62 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Tsy finiavana hitsikera na hitsingoloka, ary ekena fa mety fahatsapan-tenan’ny tsirairay amin’ny maha fetim-pirenena izay tsy hijerena loko sy fijery politika ny fahatongavana teny Mahamasina, saingy isan’ny nanjonoana ny olona na izany aza ny resaka Tombola. Nizarana tapakila tsirairay ireo vahoaka mba ahafahana mandray anjara amin’ilay Tombola, saingy olona 3 amin’ny an’alina vitsivitsy no tsara vintana nahazo ny loka. Iza tokoa no tsy ho liana sy tsy mba ho avy sao hitsikian’ny vintana hahazo trano, moto, finday avo lenta. Ny 81% amin’ny Malagasy rahateo no voasakajy ho ao anatin’ny mahantra fadiranovana raha toa ka mbola 74% izany nialohan’ny 2019 ka lojika raha mihazakazaka ny olona satria vitsy ny manana herijika hahavidy trano izany. Lojika raha azo mora jonoana ny olona. Ny somary mampihomehy tamin’ity hoe : fisarihana nahazoana trano ity, dia zavatra mbola tsy mijoro sy mbola tsy hita maso no nambara fa azo tao anatin’ilay «Tombola». Raha ny resaka Tanamasoandro izany karazan’ny mbola ho ela, fa ny etsy Ivato aloha no efa hita. Raha tena fitsinjovana vahoaka marina tokoa, moa mba manana herijika hahazo azy ireny ve tokoa ny sokajina Malagasy rehetra sa ho an’ny manan-katao ihany ? Betsaka ny tsy manana fahafahana hividy izany na ekena aza fa mety aloa tsikelikely ny vidiny. Na ny olona manana herijika mety hahaloa aza, betsaka no voailika, fa saika ny manan-katao hatrany mahazo vahana. Raha ny mikasika ireo trano vao vita etsy Ivato, ohatra, saika ireo teratany vahiny mpanam-bola, na koa Malagasy mpanefoefo no voalaza fa tsara toerana hahazo na efa nahazo izany ankehitriny. Misy mpiasam-panjakana, toy ny mpampianatry ny anjerimanontolo, izay maro no nanao fangatahana fa tsy isan’ireo nahazo izany, raha ny fanadihadiana natao. Antsapaka tahaka ny natao tetsy Mahamasina izany vao mety hanana vintana hahazo izany trano fonenana naorin’ny Fanjakana izany ny madinika.

JONOINA AMIN’NY ZAVATRA BOJY
Mpanao politika voasoajy ho isan’ny mahay manjono sy manararaotra ny Malagasy amin’ny fahantrany ny Atoa Rajoelina sy ny namany. Havanana amin’ny fanjonoana sy fandraviravezana zavatra bôjy, toy ny spektakla tsy andoavam-bola, fizaran-javatra amin’ny propagady, Tombola,… Tsy tena soa ho an’ny Malagasy maro an’isa no lalan-tsaina hoentina ao anatin’ireny, fa toa famerezan-dia sy fividianana safidim-bahoaka ankolaka rehefa fifidianana. Ny fiainam-bahoaka amin’ny ankampobeny miha mitotongana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap