Tany amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, Moramanga, Amparafaravola, Maroantsetra, Mananara Avaratra, Soanierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina no nanombohan’izy ireo izany ary ny 9 oktobra no tonga tao Toamasina Renivohitra. Nihaona tamin’ireo mpikatroka Arema any ifotony ireto delegasiona nandritra ireo fitsidihana natao ary nanao fanentanana amin’ny fananganana indray ny rafitry ny antoko sy hifidy ireo birao hitantana izany. Nampahatsiahy ny foto-kevitra ijoronan’ny Arema hatramin’izay koa i Annick Ratsiraka dia ny hanavotra ny Vahaoaka sy ny firenena. Nanentana ireo tanora hiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana koa izy. Nanamafy ny Sekretera nasionalin’ny Arema fa handray anjara amin’ireo fifidianana ho avy ny antoko izay 46 taona amin’ity taona ity. Nisy koa ny fitsidihana ireo Akany izany natsangan-dRamatoa Céline Ratsiraka, vadin’ny filoha teo aloha. Isan’ireo tena goavana tamin’izany ny tao Ambatondrazaka izay mankalaza ny faha 35 taonany amin’ity taona ity. Mbola tena velona ary mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanabeazana any an-toerana io Akan-jaza io. Nitety ireo distrika amin’ny tapany atsimon’ny faritra Atsinanana ny delegasiona taorian'izay ary nofaranana tany Vatomandry.
Jean D.
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,