airtel

Politique

29-avril-2022

Politique

Fanomezana ny praograman’ny filoham-pirenena Asa na hitohy na serasera manjelatra indray

Sample post image

Asa na hitohy na serasera manjelatra hambaboana ny fon’ny mpanara-baovao indray ny fanomezana ny praograman’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, izay hita ho niatomboka omaly.

29-avril-2022

Isan’ny fanontaniana mipetraka koa nefa ny hoe fomba fiasa vaovao ve? Fiatombohana amin’ny fidirana amin’ny fangaraharaham-pitantanana noho ny kiana maro mikasika izany avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisampirenena ve sa sehoseho toy ny fanambarana am-pahibemaso ny ho fisiana fihaonana amin’ireo mpanao gazety tsy anavahana firehana isam-bolana nefa tsy hita hatramin’izao hoe aiza ihany? Miandry izay ho tohiny ny rehetra fa raha ny mikasika ny anio aloha dia voarakitra anatin’ny diary fa hihaona amin’ny vondron’ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana ny tenany amin’ny 10 ora maraina. Any Antsirabe kosa izy amin’ny 3 ora tolakandro mitokana ny tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera. Rahampitso sabotsy dia ao Morondava no fotoana hitokanany ny hopitaly vaovao ao an-toerana manomboka amin’ny 9 ora sy sasany. Mitohy amin’ny fitsidihana ny trano fatoriana ao amin’ny fonenan’ny mpianatra na Campus ao Menabe izany. Isany koa ny fitokanana ireo lalana sy tobim-pamatsiana angovo amin’ny herin’ny masoandro. Ny alahady 1 may kosa ao Miandrivazo indray no fotoana manomboka amin’ny 9 ora maraina hitokana ny sampana fanampin’ny katedraly na “cathedrale” St Joseph”. Ho hita eo indray ny tohiny amin’ny alatsinainy. J
. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap