airtel

Politique

23-févr-2022

Politique

Fanovana governemanta Tsy sahy manala an’i Ntsay i Rajoelina

Sample post image

Nisy ny loharanom-baovao azo fa anio alarobia 23 janoary ny fikitihana na fanovana governemanta, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany.

23-févr-2022

 Toerana roa no banga, dia ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany efa 6 volana sy ny Minisitry fitsarana izay nanomboka ny 11 febroary. Iza no ho voatazona ary iza no hoesorina? Re siosio fa ho voatazona ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tsy tena sahin’ny Filoha Rajoelina kitihina na efa malailay fonosona aza ny fianankaviana politikan-dRajoelina ary maro ireo olon’ny TGV-MAPAR efa nitaky ny hanoloana azy; misy mihitsy ireo milaza fa tsy mahavita manatanteraka ny vina sy fandaharanasan’ny Fioham-pirenena ny praiminisitra amin’izao fotoana, izay nivoaka taorian’ny hetsika nataon’ny depiote 73 nanafaingana ny faharesen’ny fitondrana HVM. Raha tsiahivina hatrany, fanovana fanidiminy io. Minisitra 5 tamin’ireo tao anatin’ny Governemanta voalohany ny 24 janoary 2019 sisa tavela ao: Minisitry ny fiarovana Jeneraly Rakotonirina Richard, ny Minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy Rtoa Gisèle Ranampy izay heverina fa isan’ny tena atokisan’ny Filoha na manaratsy endrika ny Fanjakana aza ny maha vadin’ny Filohan’ny Vaomieram-pifidianana CENI azy; ny Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Andriantogarivo izay isan’ny mahazo kiana mafy ho manaratsy endrika ny Fanjakana ary na ireo mpiray latabatra politika amin’ny Filoha toa an-dry Depiote Rossy sy ny maro hafa aza tsy faly aminy. Voasokajy ho somary ratsiratsy toerana na ahiana hamoaka tsiambaratelon’ny Filoha toy ny tamin’ny tetezamita, toy ny nilazany fa tena namatsy ara-bola ny miaramilan’ny CAPSAT tamin’ny 2009 i Rajoelina. Minisitra mbola tavela Atoa Hajo Andrianainarivelo na nahena ho ny andraikiny, kanefa heverina fa mbola ho sarotra ny hanaisotra azy. Mbola ao anaty governemanta I Tinoka Roberto na niova departemanta aza. Voasokajy ho isan’ny ratsy toerana, ary isan’ireo voatonontona amin’ny raharaha nahasaringotra ny Minisitra teo aloha Imbiki Herilaza. Misy minisitra hafa voatonontona ihany koa ao, ka isan’izany ny iray miantsoroka ny resaka fitandroana ny filaminana. Minisitra tamin’izany mbola eo Atoa Joel Randriamandranto izay ny fizahantany sisa no iandraketany. Misy minisitra voakiana mafy noho ny fitondran-tena, misy minisitra takona tanteraka,… Ao ny na tsy miteny mivantana aza dia toa misy midongy seza mafy, araka ny loharanom-baovao.
ADY VAROTRA
Mampametra-panontaniana ankehitriny ny momba ny fifandraisan’ny Filoha sy ny mpandraharaha mpanefoefo iray, voalaza fa isan’ny tena nanampy ara-bola tamin’ny fifidianana. Hatramin’izay, nalaza ary hita taratra tao anatin’ny governemanta ny resaka “quota” amin’ny fizaran-toerana ao anaty governemanta. Mbola mitoetra ve izany amin’izao? Hafahafa hatrany ny fitsoaky ny rivotra politika misoko miadana. Misy, ohatra, andiana mpanao politika izay mpiara-dia amin’izao fitondrana nisy fotoana nifamory tany Ampefy, izay tsy fantatra mazava ny tena ambadika, fa heverina ho tafiditra anaty politika avo lenta. Endrika mety maneho ny tsy fitoniana sy tsy fahamarinan-toeran’ny Filoha ihany koa io. Andrasana indray izay ho fivoakany sy izay ho tohiny!
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap