airtel

Politique

09-mai-2022

Politique

Faritra Alaotra Hamafa ny dian-dRavalo i Rajoelina ?

Sample post image

Raha tsy misy ny fiovana, hiazo ny faritra Alaotra-Mangoro ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ity herinandro ity. Manomboka rahampitso talata 10 mey, raha ny vaovao tsy ofisialy.

09-mai-2022

Tsy tongatonga ho azy ity programa ity raha hotanteraka tokoa satria heverina fa tsy levon’ny vavonin’ny Filoha sy ny ekipany ny fahombiazan’ny fameloma-maso nataon’ny Antoko TIM herinandro mahery izay. Rakotra vahoaka na tsy nisy fitondrana artista malaza hoentina hisintonana ny vahoaka ho vory aza. Nasehon’ny TIM fa tokontaniny ary ananany vahoaka maro mpifidy hatrany ny faritra Alaotra Mangoro, izay iray amin’ireo 9 nahazoan’i Marc Ravalomanana vato betsaka tamin’ny fifidianana 2018. Tsy levon’ny vavonin’ny volomboasary izany, ary ezahina ny hamafa sy hanindry ny fahazakan’ny TIM vahoaka. Mazava fa mety hampiasaina indray ny vola sy ny fahefam-panjakana amin’ny dia izay hanindriana ny TIM. Toe-javatra efa niseho tany Diego io satria taorian’ny fameloma-maso nataon’ny TIM izay natao tany an-toerana, dia iny nanao hetsika namory vahoaka, nanambitamby ankolaka ny olona tamin’ny alalan’ny famonoana omby 25 ny sabotsy lasa teo. Raha nosakantsakanana ny TIM, afaka namory vahoaka sy nanao diabe ny TGV tany an-toerana. Miezaka mamono sy mamafa ny fahombiazan’ny hafa, izay efa endriky ny tahotra ara-politika amin’ny fifidianana, rehefa zohiana. Na ny Faritra Menabe izay nandehan’ny Filoha herinandro mahery izay, nanaovana fampisehoana, nisintonana ny vahoaka tamin’ny alalan’ny Kopikoleany nampitenenina imasom-bahoaka, na ny any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, dia samy toerana nahazoan’i Marc Ravalomanana vato betsaka, nandreseny ny Filoha am-perin’asa avokoa tamin’ny fifidianana. Mety ho henjana ny fifanandrinana amin’ny 2023, ka dia mikofokofoka mafy ny ekipan’ny volomboasary.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap