airtel

Politique

08-sept-2022

Politique

Felaka tehamaina avy amin’ny Eoropeana “Ataovy ny fanitsiana, mila fifidianana madio”

Sample post image

Tonga nanatitra ny taratasy manendry azy ho Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana tamin’ny Filoha Rajoelina teny Iavoloha Rtoa Isabelle Delattre omaly.

08-sept-2022

Lasa vazaha misolo vazaha! Ny olona no misolo, fa tsy miova ny politika sy ny fijerin’ny tandrefana, vao mainka aza nohamafisiny, fa mbola mametraka ahiahy goavana momba ny fifidianana, ka isan’ny notsipihiny fa anisan’ny adidiny ny fahatanterahan’ireo toromarika taorian’ny fanaraha-mason’ny irak’izy ireo tamin’ny fifidianana 2018. Nanamafy ary tsy mivaona amin’ny efa nantitranterin’Atoa Giovanni Di Girolamo. Betsaka, hoy izy, ireo soso-kevitra mila tanterahina, toy ny pitsopitsony momba ny lalàna, fanitsiana ny lisi-pifidianana, ny famerana ny vola ampiasaina amin’ny fifidianana,… Nilaza noho izany Rtoa Isabelle Delattre fa tsy mbola voafaritra mazava ny tohana ara-bola avy amin’ny Vondrona Eoropeana amin’ny fifidianana manaraka, fa misy ifandraisana amin’ny toromarika taorian’ny fanaraha-maso ara-pifidianana. Miandry an’izany ny Vondrona Eoropeana izay nanipika fa tokony ho vita mialohan’ny fifidianana 2023 io. Kazaran’ny felaka tehamaina ho an’ny fitondrana izay tsy mbola nikitika sy nanitsy io. Tsara ny mampahatsiahy fa momba io fifidianana ho avy io, dia efa nilaza ihany koa izy ireo fa miteraka faharefoana amin’ny fahatokisan’ny vahoaka sy loza mandindona ny hisian’ny fifidianana demokratika ny fanendrena olona akaiky ny Filoham-pirenena ho Filohan’ny CENI sy Filohan’ny HCC na dia ekena aza fa nanaraka ny lalàmpanorenana. Nanangam-bovona ny olon’ny fitondrana ka isan’izany mpanolontsaina ara-politikan’ny Filoha Atoa Soja Jean André na Kaleta, fa tsy ny Vondrona Eoropeana mihitsy no hanome lesona ny Fanjakana Malagasy. Any amin’ireo anefa no “misolelaka” mitady famatsiam-bola fa tsy araka ny vava be. Mitentina 325 tapitra euros ny fanohanana avy amin'ny Vondrona Eoropeana amin'ny asa fampandrosoana an'i Madagasikara ao anatin’ny 4 taona manaraka, ka anisan'ny sehatra laharam-pahamehana amin'izany ny fampivoarana ny tontolo ambanivohitra, ny fitantanana, ny angovo, ny fahasalamana sy ny fanabeazana. Tombanana ho mbola miankina amin’ny fepetra samihafa apetrany: fanjakana tsara tantana, fanjakana tan-dalàna, demokrasia,… izay ratsy avokoa ny naotin’i Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Hanao rodorodo any Toamasina hiatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra anio

Card image cap
17-avril-2024

Efa niteny ny antoko politika Teza fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io satria ho haingon-tsehatra

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny fanapahan-kevitra hafahafa ao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza taorian'ny nanonganan'ny IRD

Card image cap
16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap