airtel

Politique

01-avril-2021

Politique

Feno 40 andro ny nisamborana azy Hanao fetin’ny paska any am-ponja izy 12

Sample post image

Feno 40 andro anio ny nisamborana avy eo nampidirana am-ponja ireo olona 12 mpiara-dia

01-avril-2021

 

 

 

 

 amin’ny mpanohitra nandritra ilay fikasana hanao famoriam-bahoaka hanaovana tatitra teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny 20 febroary lasa teo. Nolavina ny fangatahana fahafahana vonjimaika, ary amin’ny 06 aprily ho avy izao no handeha fitsarana ny raharaha. Midika izany, fa hanao fetin’ny paska any am-ponja ireo olona ireo. Tsy fombana azy ireo na fitanilana any amin’ny mpanohitra, fa tokony handinika ihany ny fitondram-panjakana eo anatrehan’ny toe-javatra tahaka izao. Hitsaran’ny olona azy io, fa taratry ny fitondrana jadona sy ny tsy fahazakana fanehoan-kevitra. Hafa raha nisy fandrobana, fahapotehan-javatra, fifandonana,… fa olona tanam-polo sy manao akanja miloko mena no tonga dia bedaina sy halefa any am-ponja avy hatrany. Ny Filoham-pirenena no tompon’ny teny farany, afaka mandray fanapahan-kevitra hanafahana azy ireo satria antony politika. Ny 06 martsa ny Filoha, dia naneho fa olon’Andriamanitra sy mivavaka ka sao mba fotoana tokony hirotsahan’ny fanahy masina izao herinandro masina izao? Mety manana ny vesatra heverin’ny fitondrana ahafahany mandetika azy ireo ny Fanjakana, saingy mahasoa sy hanamafy orina ny fahefana ve izany? Tena mifanaraka sy mifandanja amin’ny heverina fa heloka nataon’izy ireo ve ny fandetehana azy any am-ponja? Mandalo fotoan-tsarotra ny i Madagasikara, ka fotoana angamba izao hisaintsainana sy hanovana famindra, fa tsy hifamotika sy samy hanao izay saim-pantany eto amin’ity firenena ity. Ny fahoriam-bahoaka tsy voavaha mbola mamboly olana hafa. Sady tsy hanakianana be fahatany ny mpitondra na fombana ny mpanohitra fa tena mila fifohazam-panahy ny firenena, ny fampihavanam-pirenena aza efa tsy vitam-bola volena fifanagadrana sy fifamaliana faty hatrany ve ? ‘

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap