airtel

Politique

14-juin-2021

Politique

Fetin’ny fahaleovantena Atao isaky ny renivohi-paritany ny matso

Sample post image

Notsiahivin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina nandritra ny kabariny omaly 13 jona ny fihenan’ny trangana valanaretina tao anatin’ny iray

14-juin-2021

 

 

 volana sy tapany. Niisa 1512 ny tranga ny 3-16 mey; 1003 ny 17-29 mey; 30 mey-12 jona 667 ny tranga. Nambara fa mitohy ny ady, ary an-dalam-pandresena isika satria nihena dia nihena hatrany amin’ny antsasany ny olona voa. Nisy ny fepetra sy ezaka, ka mila tohizana, mila mitandrina satria miditra tanteraka amin’ny ririnina, vanim-potoana mangatsiaka. Noho izany, rehefa nidinika ny andrim-panjakana 3 tonta, dia mitohy ny hamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro manaraka, hoy i Andry Rajoelina. Amin’ny ankapobeny, efa miverina tsikelikely amin’ny fiainana andavanandro. Raha noferana ho 100 ny olona afaka mivory, dia nakarina ho 200. Miankina amin’ny habean’ny toerana anefa no ahafahana manao izany. Tsy maintsy hajaina ny elanelana sy ny fepetra. Mitohy hatrany ny “couvre-feu” manomboka amin’ny 11ora alina-04 maraina. Azo atao ny mitondra razana mivoaka sy miditra raha voamarina fa tsy voan’ny covid-19. Tsy mbola azo atao ny mitondra ny razana na mivoaka na miditra, raha matin’ny coronavirus, fa mila fanamarinan’ny mpitsabo, BMH,… Tsy maintsy alevina ny androtry ny nahafatesana, ary tsy mihoatra ny 10 ny mpandevina. Tsy mbola azo atao ny mamindra na mamoaka ivelan’ny faritrany razana efa voalevina. Mbola mikatona ny sisin-tany, saingy omena alalana manokana hamonjy faohoriana (Raiamandreny, vady, mpiray tampo, mana-manjo). Afaka misokatra ny “espace”, trano fandraisam-bahiny, fanaovana mariazy, fa tsy maintsy manaja ny fepetra. Eny anivon’ny renivohi-paritany tsirairay ihany no hanatanterahana ny matso ny 26 jona, hoy ny fanazavana momba ny fetim-pirenena.Tsy mbola voaresaka hoe hanao ahoana ny matso ho an’Antananarivo : eny Analakely tahaka ny tamin’ny herintaona ihany ve sa ao amin’ny kianja Barea. Nanentana ny olom-pirenena hanangan-tsaina i Andry Rajoelina.

Toky R

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap