airtel

Politique

07-avril-2022

Politique

Fiadidian’ny Repoblika Nesorina sahady i Soatiana Rajoelisoa

Sample post image

10 volana monja taorian’ny nanendrena azy ny volana jona 2021, dia nesorina tamin’ny toerany ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Soatiana Rajoelisoa.

07-avril-2022

Tao anatin’ny fotoan-tsarotra no nanendrena azy rehefa voatonontonona tamina raharaha mangotraka ny nodimbiasany, dia Rtoa Rinah Rakotomanga. Ity farany izay nalefa tany an-dafy mihitsy aloha, nomena toerana tany amin’ny Masoivohon’i Madagasikara tany Frantsa. Efa nangatsiatsiaka ny raharaha vao niverina teto, ary mivezivezy matetika. Mampametra-panontana kosa ankehitriny hoe : inona no antony nanesorana an’i Soatiana Rajoelisoa ? Hadisoana tamin’ny asa ve? Tsy fahafaham-pon’ny Filoha ve? Na inona na inona antony, dia toa naman’ny natao sorona tao anaty Fanjakana. Mety nanolo-tena hitondra ny anjara biriky ho an’ny firenena tokoa, saingy mety simban’ny politika tao rehefa nitakosona tao anatin’izao fitondrana izao, kanefa tsy tody hatramin’ny farany. Endriky ny kitsapatsapa sy tsy fahamatorana ary tsy fahamarinan-toeran’ny Fanjakana ihany koa io. Hampisahanina andraikitra hafa toa ny Minisitry ny tontolo iainana teo aloha ve? “Mifarana androany ny andraikitra maha Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe ahy teto anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Fisaorana lehibe no atolotro ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tamin’ny fiarahanay niasa. Mankasitraka azy ny tenako tamin’ny nisafidianany ahy hisahana io andraikitra io nandritra izay fotoana izay…. Efa fanapahan-kevitro hatry ny ela ny hiasako ho an’i Madagasikara sy hanasoavako ny Mpiray Tanindrazana koa miroso manohy amin’izany ny diako raha sitrapon’Andriamanitra. Manohy manarina, manorina ary mandray andraikitra. Mankahery ny Filoham-pirenena sy ny Fitondram-panjakana am-perinasa amin’ny fanatanterahana ireo VELIRANO sy ireo asa maro fanarenana an’i Madagasikara…”, hoy i Soatiana Rajoelisoa omaly. Hanao izany ny tohiny?
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap