airtel

Politique

15-mars-2021

Politique

Fiainam-pirenena Mahakely finoana ny hahatanterahan’ireo velirano

Sample post image

Ho sahirana tanteraka ny fitondrana ankehitriny hiatrika sy handamina ny olana marolafy.

15-mars-2021

 

 Sarotra ny hiatrehana sy hanatanterahana ireo fanamby nampanatenaina. Mihamafy indray ny krizy ara-pahasalamana, izay tsy eto Madagasikara, fa saika maneran-tany. Ny firenen-drehetra, saika mirona bebe kokoa amin’ny fanarenana ara-toekarena, raha toa ka tsy izay ny antsika no napetraka ho laharam-pahamehana, fa toy ny hoe miaina tsy misy krizy izany ny fitondram-panjakana. Miezaka mandresy lahatra vahoaka amina vina sy velirano hatrany aty amin’ny roa taona nitondrana. Sarotra ny hahita loharanom-bola hoenti-manatanteraka azy ireny ao anatin’izao krizy izao. Hanahirana ihany koa ny hitady loharanom-bola, toy efa nisy tao anaty fahamehana hoe: nitobaka ny fanampiana sy ny fampindramam-bola. Ahiana ho tsy tahaka izany intsony no hiseho ao anatin’izao zava-miseho izao satria efa niaraha-nahita ny lesoka goavana nataon’ny fitondrana tamin’ny taon-dasa. Tsikaritra tato aoriana ny fisiana fanampiana sy tohana ara-bola, saingy misy ny ampiantsorohan’ny mpamatsy vola amina sehatra tsy miankina na sampan-draharaha mifandraika aminy. Hafa ny teo aloha hoe: fahamehana ara-pahasalamana no hatrehina, saingy miova làlana ny vola. Efa nisy, ohatra, ny fangatahana tatitra mangarahara nataon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) momba ny fitantanana ny vola tamin’ny covid-19. Sarotra ny hanatanteraka velirano amin’izao krizy misy izao na ara-politika, toekarena, sosialy, fahasalamana,… Ny fanampiana mikasika ny maha olana, ny lafiny fahasalamana sy sosialy mety hisy ihany, fa ny fampiasam-bola sy tetikasa goavana mahakely finoana, raha tsy hoe miainga amina làlam-bola avo lenta miala amin’ny rafitra mahazatra na “financement parallèle” angaha. Iza no hamone 8 miliara dolara hanaovana làlana sy “autoroute” eo anatrehan’ny toe-javatra mifamahofaho ankehitriny? Inona no mety ho tambiny ?

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap