Mandray iraka na diplaomaty vahiny hany tena tatitra momba azy matetika sisa. Ny 03 mey nandritra ny fisokafan’ny fivoriana ara-potoanan’ny antenimieram-pirenena no nanaovany fanambarana politika teo anivon’ny Antenimieram-pirenena izay misy depiote mikasa sy manentana hanao fitsipaham-pitokisana, fa mila fitoniana ny firenena eo anatrehan’ny ambana sy zavatra nihatra toy ny valanaretina, fiantraikan’ny rivodoza, ny vokatry ny krizy nateraky ny adin’I Ukraina sy Russie,… Zary lasa fiarovan-tenan’ny Praiminisitra sy ny governemanta amin’ny tsy fahombiazana ny krizy samihafa. Tsy mety marin-toerana ny Praiminisitra Ntsay Christian izay efa teo amin’io toerana io nanomboka tamin’ny jona 2018 nisian’ny krizy nampiongana ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ny governemanta vokatry ny fihetsiketsehana notarihin’ny Depiote 73 isa, ary mbola notendren-dRajoelina. Raha ny voafaritry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-54, dia izay antoko na vondrona politika manana ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena no manolotra ny anaran’ny olona izay hotendren’ny Filoha. Nolavin’ireo depiote IRD sasany ny fanendrena azy tamin’ny jona 2018, ary ny hariva vao nisy indray ny notarihin’ny Depiote voafidy tany Ikongo Atoa Brunelle Razafitsiandraofa tamin’izany, fa ekena ny maha Praiminisitra azy ary natolotry ny IRD. Io depiote io izay isan’ny nanakiana mafy ny Praiminisitra taty aoriana, toy ny tamin’ny volana may 2020 teo anatrehan’ny olana samihafa mahazo ny vahoaka, saingy tsy tena hita taratra ny fandraisana andraikitry ny Praiminisitra sady lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana, toy izany ihany koa ny tamin’ny volana martsa lasa teo niresahany fa na tamin’ny andron’ny HVM aza tsy nisy kolikoly tahaka izao, saingy tsy hita izay toromarika sy fepetra hentitra raisin’ny Praiminisitra. Tao anatin’ireo fanovana governemanta efatra na in-dimy nisesy, niozongozona hatrany ny toeran’Atoa Ntsay Christian, saingy ny ekipany aloha no nisolosolo fa izy eo ihany. Hatramin’izao tsy mety afa-doza tanteraka amin’ny fikasana fitsipahana izy. Nikipiany ny tsy tokony hiandanian’ny fitantan-draharaham-panjakana amin’ny politika araka ny voafaritry ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana ka niditra an-tsehatra tao anatin’ny famolavolana paikadin’ny volomboasary hampandaniana indray ny Filoha ankehitriny izy. Na eo aza ny mety ezaka politika ataony, tsy tena mety tafapetraka ny fahamarinan-toerany. Leo ve izy dia mangiana sa efa reraka? Sa manana iraka hafa mihitsy? Tena ilain’i Madagasikara ve ny toeran’ny Praiminisitra sa tokony hofoanana noho izy lasa loharanona krizy politika hatrany ?
Toky R
Ankoatra ny fandokafana nataon’ny ankamaroan’ny depiote mpomba ny fitondrana ary ny kiana mivaivay nataon’ireo depiote avy amin’ny antoko mpanohitra,
Miditra ao anatin’ny kihon-dàlana politika vaovao ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM, izay mankalaza ny faha-20 taona nijoroany manomboka anio 30 jona 2022.
Notorian’Atoa Maharesy Roi Francis Ben’ny tanànan’Ankavandra teo aloha tompon’ny orinasa ETS AR Business any amin’ny Sampana fitarainana eo na “bureau de doléance” eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika ny Depiote
Araky ny lalampanorenana, ny governemanta sy ny parlemantera, ny fifandraisany, indrindra, ny fanaovana lalana, dia ny parlemantera manara-maso ny mpanatanteraka, hoy ny antoko politika Teza.
Fampalazana tena na « populisme » no mbola hanarontsaronana ny tena zava-misy iainan’ny vahoaka no tena ataon’ny Fitondrana Rajoelina ankehitriny.
Mbola mila ezaka goavana ny resaka fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola mba hoenti-mampiodina sy mampandroso ny firenena,