airtel

Politique

07-sept-2021

Politique

Fiainam-pirenena Miomana haka fahefana ihany koa ny AVI

Sample post image

“Misy milaza hoe mpanolotsaina manokan’ny Filoha aho. Hatramin’ny 2019 nahalany an’i Andry Rajoelina ho filoha dia tsy notendrena intsony aho,

07-sept-2021

 ary tsy nanaiky hotendrena intsony, tsy misy biraoko ao Ambohitsorohitra na eny Iavoloha, mifampiantso na mifandray izahay raha misy ilàna azy”, hoy Atoa Norbert Lala Ratsirahonana Filohan’ny antoko Asa Vita no Ifampitsarana na ny AVI, efa filohan’ny HCC, efa avy filoham-panjakana, ary efa avy kandida filoham-pirenena. Nilaza kosa izy, fa ny mahasamihafa azy ireo amin’ny mpanohitra dia miresaka amin’ny mpitondra mivantana izy ireo. Nilaza fa miresaka na manitsy, mifanakalo hevitra aminy raha misy zavatra tokony hahitsy fa tsy any amin’ny radio no mitatatata. “Izaho tsy misorona rehefa miteny satria mikatsaka ny mahasoa ny Malagasy, ary izaho tsy mitady toerana intsony”, hoy i Norbert Lala Ratsirahonana. Manomana sy miomana amin’ny fifidianana 2023 ny Antoko AVI. Manetsika ireo mpikatroka eny ifotony na ny “Base” ka nosantarina tany Antsirabe izany ny alahady lasa teo. « Heverinay fa efa manatona dia manatona ny 2023. Araka ny tetiandro, dia tokony hisy ny fifidianana filoha, solombavambahoaka, ben’ny tanàna. Amin’ny maha antoko dia voatery tsy maintsy miomana izahay”, hoy I Norbert Lala Ratsirahonana. Nambarany kosa fa mbola sarotra ny hamaly hoe : hanohana sa hanolotra kandida amin’ny fifidianana, fa ny “base” no tompon’ny teny farany. Antony nisafidianana voalohany an’i Vakinankaratra dia tany no nanana olom-boafidy betsaka toy ny tao Mandoto, Antanifotsy, Antsirabe I,… Manana eritreritra hoe mbola any ireny olona ireny, ary hetsehina, hoy ny Filoha Nasionalin’ny AVI. Tsy fantatra mazava aloha izany na hanolotra kandida na mbola hanohana olona ny AVI, ny mpikambana ao amin’ny antoko ihany no hanapaka izay hatao, saingy miomana haka fahefana. Taorian’ny tany Antsirabe ny alahady teo, dia tany Morondava omaly alatsinainy ny birao politikan’ny AVI tarihin’ny filohany Norbert Lala Ratsirahanonana. Tahaka ny antoko TIM an’i Marc Ravalomanana izay ao anatin’ny fanomezana aina vao na “redynamisation” izany dia miomana fatratra ny haka fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana ihany koa ny AVI an-dRatsirahonana izay anisan’ireo antoko nosokajiana ho lehibe kanefa tsy nety nahatafiditra filoham-pirenena mihitsy fa dia nanohana olona foana. Nanohana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2001–2002 ary dia notendrena ho Ambassadeur Itinerant an’ny Filoha ingahy Ratsirahonana avy eo, nahatafiditra minisitra tao anaty governemanta ihany koa ry zareo tamin’izany , anisany ry Reboza Julien sy Jean Jacques Rabenirina. Rehefa nisaraka ny dia, lasa mpanohitra ny AVI ary taty aoriana dia niara-dia tamin’i Andry Rajoelina ka nanohana azy tamin’ny fifidianana 2018 teo. Tsy misy olon’ny AVI ao anatin’ny Governemanta ankehitriny amin’ny ankapobeny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap