airtel

Politique

27-août-2021

Politique

Fiainam-pirenena Nosaronana fampanantenana ireo izay tsy vita

Sample post image

Kabary sy fampanantenana. Izay ihany aloha no vokatra mba hita nisongadina tamin’ny dian’ny Filoha tany Frantsa.

27-août-2021

Izay hoe mampiasa vola sy mpandraharaha vahiny ho avy mbola tsy fantatra mazava, satria ny sisin-tany aza mikatona hatreto aloha. Ary raha mbola anaty fahamehana ara-pahasalamana ny firenena dia mifantoka any amin’ny fanampiana faran’izay maika ny azo avy amin’ireo mpiara-miasa. Raha ny hoe mpandraharaha vahiny Frantsay, Belza indray… tsy hanaovana resabe eto fa efa fantatra ihany ny vitan’izy ireo teto hatrizay, tsy dia misy hoe zavatra misongadina be mankaiza. Ireo nokianina lava toa ny tetikasa Ambatovy sy QMM aza no mbola mampiditra vola matevina ao amin’’ny kitapom-bolam-panjakana. Misy ireo mpandraharana velon’ahiahy tamin’ity dian’ny Filoha Rajoelina sy ny delegasionina notarihany any Frantsa ity hoe : hitondra voka-tsoa marina ho an’ny firenena ary azo refesina ao anatin’ny fotoana fohy ve sa resaka ara-diplaomatika nosarontsaroana raharaha politika fotsiny.
RTT

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap