airtel

Politique

19-avril-2022

Politique

Fiainam-pirenena Tofoka tanteraka amin'ny Fitondrana ny MMM

Sample post image

Misoko miadana ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihin'i Hajo Andrianainarivelo, izay tsikaritra ho kofona amin'ny Fitondrana Rajoelina, ary efa tena mampiharihary izany ankehitriny.

19-avril-2022

Nitsidika ireo mpikambana sy ireo olom-boafidy MMM ao anatin'ny faritra Vatovavy ary ny faritra Fitovinany ity filoha nasionalin'ny Antoko Malagasy Miara Miainga, Atoa Hajo Andrianainarivelo ity ny faran'ny herinandro teo. Nitondra teny fankaherezana manoloana ireo antsonjay sy fanikilihina hatao amin'ireo olom-boafidy sy mpikambana MMM eraky ny disitrika, ny kaominina sy ny fokontany toy ny tany Manakara sy Mananjary ny tenany. Isan'ireo i Jeannot Randriamanana, ilay nitsikera mafy ny tontolon'ny fampianarana, iray nohelohina 2 taona an-tranomaizina, izay voalaza fa mpikamban'ity Antoko ity. Hentitra ny MMM naneho fa tsy azo ekena ny toejava-misy ary ny antoko dia vonona hijoro sy hiaro ireo mpikambana tratran izany tsindry aloka izany. Efa nialohan'ny fanovana governemanta tamin'ny 19 martsa 2022 ny MMM no nampitandrina mafy tsy hanaovana antsojay ny olony, ary tsy nihambahamba nilaza fa samy manana vahoaka. Niala tao anatin'ny governemanta, ary nahilika ny Sekretera Jeneralin'ny Fiadidian'ny Repoblika Atoa Valéry Ramonjavelo avy amin'ny MMM, izay mahalala tsara ny ao anaty vilanin'ny prezidansa. Nalaina ireo olon'ny MMM tao anaty minisitera.
MIOMANA AMIN'NY FIFIDIANANA
Efa tamin'ny 09 jona 2021 mbola tsy nisy lonilony no nanoratantsika teto amin'ny Tia Tanindrazana fa hanahirana an-dRajoelina i Hajo Andrianainarivelo sy Lalatiana Rakotondrazafy amin'ny maha lehiben'antoko azy, tsy maintsy hijery manokana ny antokony ary miomana haka fahefana amin'ny maha Antoko azy. Tombanana hanana olona hifaninana amin-dRajoelina ny MMM amin'ny 2023. Efa miketry manetsika ny olony any ifotony ny MMM, ankoatra ny efa nifaninanany mivantana tamin'ny TGV nandritra ny fifidianana loholona. Manao fifanakalozan-kevitra sy fiaraha-midinika mahakasika ny raharaham-pirenena sy ny ho avin'ny antoko MMM. Mandady ny trambo ho an-dRajoelina sy ny ekipany ary hampitombo ny efa fahalemeny izao sary izao.
Toky R
 

 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap