airtel

Politique

24-févr-2021

Politique

Fianakaviamben’ny mpanohitra “Tsy mijanona ny tolona raha tsy tratra ny tanjona”

Sample post image

Fianakaviamben’ny mpanohitra nahitana ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara,

24-févr-2021

 

 

 ny vondrona Panorama, antoko sy fikambanana politika mpanohitra maro no niray feo tetsy Bel’air omaly namaky bantsilana ny tsy mety rehetra teto amin’ny firenena nanomboka tany amin’ny resaka verin-droa miisa 1.200.000 tamin’ny fifidianana, fampidirana fitaovam-piadiana an-tsokosoko, famonoana ireo gadra tao Farafangana, ny fampiasana tsy ara-drariny ny famatsiam-bola tamin’ny Covid 19 ka hatramin’ny fanitsakitsahana ny demokrasia toy izay niseho ny sabotsy teo. Nanao fanambarana izy ireo fa manomboka izao dia miova ho tolon’ny vahoaka Malagasy ny tatitra nataon’ireo depiote teo amin’ny 13 mey. Lasa tolona sy ady amin’ny jadona sy fanaparam-pahefana. Melohin’izy ireo ny herisetra natao ny sabotsy teo na amin’ny fomba ahoana na ahoana satria tanam-polo no nentin’ny Malagasy teo saingy fitaovam-piadiana mahery vaika sy nampidirina an-tsokosoko no navoaka avy tany. Avoahay, hoy hatrany izy ireo, ireo notazomina satria tsy nisy trano vaky na voadoro na olona naratra teo ka hamonjana na hanagadrana olona. Manao antsoavo ireo namana mpanao politika hafa mbola tsy miaradia amin’izy ireo, ny fikambanana samihafa, ny olompirenena rehetra fa asa iaraha-manana ny fanarenana ny tanindrazana. Miantso fifampidinihina sy fifampiresahana ho fanarenana izany, noho izany, ireto fianakaviamben’ny fanoherana ireto. Tsy mijanona ny tolona raha tsy tratra ny tanjona, hoy ny filoha lefitry ny RMDM, Tsarahame Edouard, dia ny fanarenana ny firenena. Ny olona hiady tsy milaza stratejia mialoha, hoy kosa ny sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara, Riana Randriamasinoro, fa ho hitanareo miandalana eo.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap