airtel

Politique

04-avril-2022

Politique

Fiarahamiasa Mifamatotra ara-tafika i Rosia sy Madagasikara

Sample post image

Mifamatotra ara-tafika I Madagasikara sy Rosia, raha ny voalazan’ny gazety vahiny iray nivoaka ny faran’ny herinandro teo. Nosoniavina ny 18 janoary ny fifanarahana ary nanomboka ny 25 martsa,

04-avril-2022

 izay maharitra 5 taona ary fanitarana mandeha ho azy raha tsy misy ny fanoheran’ny andaniny sy ny ankilany. Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa mandritry ny 5 taona i Rosia sy Madagasikara mikasika ny mety hanitarana izany fiaraha-miasa izany ara-tafika sy ara-tekinika, izay ahitana ireo fitaovam-piadiana, ny fanofanana miaramila ary fikojakojana fitaovana, io no antontan-taratasy nivoaka tao amin’ny tranokalan’ny governemanta rosiana ny zoma teo. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa ara-tafika Rosia-Madagasikara ny “famatsiana fitaovam-piadiana, sy izay mahakasika ny miaramila hafa..., fampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana ny miaramila..., fanomezana fanampiana ara-miaramila sy ara-tekinika”. Araka ny voalazan'ny fifanarahana dia tsy mahazo mivarotra ny fitaovam-piadiana sy ny antontan-taratasy ara-tekinika ao anatin'ny fifanarahana amin'ny firenena hafa sy ny fikambanana iraisam-pirenena i Rosia sy i Madagasikara raha tsy mahazo alalana avy amin'ireo mpanao sonia roa tonta mihitsy. Ankoatran'izay, ny tsirairay dia manana zo hanara-maso ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny fitaovana sasany aorian'ny fanaterana azy ireo, hoy hatrany ity fampitam-baovao ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap