airtel

Politique

13-oct-2021

Politique

Fiarahamonina Malagasy Mikorontana tanteraka

Sample post image

Mampiseho ankehitriny ny tranga maro samihafa hita isan’andro taterin’ireo fampahalalam-baovao eto Madagasikara fa mikorontana tanteraka ny fiarahamonina Malagasy.

13-oct-2021

 Maro ny zavatra tsy mandeha amin’izay laoniny.Tsy ahoan-tsy ahoana eo dia mirehitra ny trano. Mirehitra ny tanàna. Eto an-drenivohitra avy no efa misy sahy mangalatra omby. Tsy maintsy napetraka ny fepetra tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina etsy Alasora, ohatra, satria efa tena henjana ny asan-jiolahy. Zary lasa vaovao efa mahazatra ny lozam-pifamoivoizana hamoizana ain’olona. Mampanontany tena hoe angaha moa tsy misy fitsirihana tekinika intsony? Mba nianatra sy niofana ihany ve ireo mpamily mitatitra vahoaka sa sanatria tonga amin’ilay hoe « permis vorintsiloza »? Tsy misy mpitandro filaminana misava sy manara-maso ireo fiara eny an-dalambe eny ve? Ahoana no tena andraikitr’ireo koerativa? Efa mitranga foana ny loza vao fanambarana sy fampitandremana etsy sy eroa. Tsy hita akory izay tena fepetra hentitra fa afaka herinandro dia indro mitranga indray ny loza. Farany teo indray nisavorovoro ny zokiolona mpaka vola fisotroan-dronono fa hoe mizara karatra vaovao, hono. Nisy mihitsy ireo safotra. Tsy mba azo narindra mialoha ve izy io? Ny eny amin’ny oniversite tsy mbola misy mangirana hatramin’izao. Hisy mpianatra afaka bakalorea tamina taom-pianaana roa samihafa ve hiara-hiditra hianatra eny amin’ny anjerimanontolo sa ahoana? Mbola tsy voavaly mazava ny fanontaniana hatramin’izao. Raha ny fiainana andavanandro indray dia efa misy ankehitriny ny mividy tsaramaso lena tapa-kapoaka. Tsy takatra intsony ny iray kapoaka. Tsy fahita tao anatin’ny 60 taona angamba izany, eny, talohan’izany mihitsy. Ny hala-botry, sintomahery, fanendahana, vaky trano sy fanolanana ary miafara amin’ny famonoan’olona dia efa fandre isan’andro. Heverina fa tsy ho vitan’ny kabary sy fampanantenana ny fandaminana izany rehetra izany fa tena mila paikady, asa, fanabeazana, fifampiresahana tena maharitra. Ny toetran’ny mpitondra mizahozaho sy manamaivana ny hevitry ny hafa aloha hatreto dia io voaporofo miharihary ho mbola tsy naha tafavoaka antsika anaty fahantrana io fa vao maika aza ahiana hampihombo ny aretina manjo ny firenena. Miandry ny fametrahana mazava izay tena laharam-pahamehana fa tsy fampizarana amin’ny seho ivelany manjelanjelatra ny olona ka hanadino iray andro ny fahoriany dia avy eo miverina mivarilavo indray.Tsara ny manamboatra trano fianarana, tranom-boky, kianja, hopitaly, toby miaramila ambara fa manara-penitra, hoy ny famerimberin’ny mpamakafaka rehetra izay, saingy mila tsinjovina ihany koa ny maha olona toy ny asa, sakafo, fahafahana mitsabo tena, fianarana sy fanabeazana, famokarana, fandriampahalemana sy filaminana, fahafahana maneho hevitra sy ny hafa rehetra Ny olona no voalohan-karena, hoy ny filozofia japoney izay, ary ho antsika Malagasy aza dia misy mihitsy ilay lahabolana avy any amin’ny faritra manao hoe “Tany fotaka, aomby biby, vola taratasy, ona ro harena”, izany hoe, raha ny tena fiheverana Malagasy dia ny olombelona mihitsy no voalohan-karena satria raha tsy misy ny olona na tsy ampy dia tsy hisy famokarana sy fampandrosoana ho vanona.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap