airtel

Politique

22-nov-2021

Politique

Fiatrehana ny 2023 Manomboka ny tombatombana isan-karazany

Sample post image

Raha i Botozaza Pierrot no natolotry ny filoha Ravalomanana tamin'ny taona 2013 dia tsy lany izany Rajaonarimampianina izany, hoy ny fanehoan-kevitra iray tao anaty tambazotran-tserasera tao.

22-nov-2021

 Niverina mora teto Madagasikara izy, niroborobo ny orinasany, tsy hamadika azy i Botozaza, hoy izy. Jereo fa ny “Côtier” tsy mba mamadika izany rehefa omena fahatokisana. I Rajao namadika an'i Rajoelina. I Jean Louis Robinson namadika an'i Ravalomanana. Raha mahay maka lesona i Ravalomanana dia tsy tokony milatsaka fa manolotra kandida “côtier”. Mino aho fa “premier tour dia vita” amin'ny 2023, hoy hatrany ity fanehoan-kevitra ity. Ankoatran’ireo antoko politika izay manomboka mampahatsiahy na mampiseho ny vinam-piarahamoniny isintonany ny sain’ny vahoaka Malagasy hibanjina ny fiatrehana ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny taona 2023, araka izany, dia hita ho manomboka manombana izay heveriny ho faniriany amin’izany taona 2023 izany ny mpanara-baovao. Ankoatran’izy ireo sy ireo antoko politika toy ny MONIMA, AREMA, TIM, TGV sy ny hafa rehetra koa anefa dia hita ho efa misarika ny sain’ny maro sahady mba hifantoka amin’izany koa ireo sehatra tsy miankina toy ireo kandida nolavina tamin’izany taona 2013 izany, Isaac Ramamonjisoa, sy ny filohan’ny firaisambe afrikanin’ny taranja Judo, Siteny Andrianasoloniaiko, ohatra, na dia nilaza aza hatreto ity farany fa ankinina amin’Andriamanitra ny hoavy.
J. Mirija
Legende: Ela tsy nahitana sy tsy nahenoana izany Botozaza Pierrot izany
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Hanao rodorodo any Toamasina hiatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra anio

Card image cap
17-avril-2024

Efa niteny ny antoko politika Teza fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io satria ho haingon-tsehatra

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny fanapahan-kevitra hafahafa ao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza taorian'ny nanonganan'ny IRD

Card image cap
16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap