airtel

Politique

27-juil-2022

Politique

Fibodoana fahefana 2023 Tena efa mandeha ny don-tandroka

Sample post image

Miha sarotra ny toe-draharaham-pirenena, saingy tsy arakaraka izay ny fihetsiky ny fitondram-panjakana. Tsy manaiky ho diso, tsy mety miova famindra, mbola manao izay saim-patany.

27-juil-2022

Manomboka miditra lalina amin’ny fandrangarangana hery, izay midika fa mbola ho ambony lavitra noho ireny ny niseho tamin’ny sabotsy ireny ny mety hitranga mialoha na mandritra na na aorian’ny fifidianana, raha tsy misy fitsipi-dalao ara-demokratika mipetraka mialoha. Efa mazava fa hanao ny fomba rehetra hitazonana io fahefana io ny Fitondrana Rajoelina, ary sanatrian’ny vava toa efa vonona amin’ny fampiasan-kery sy fandatsahan-dra raha tarafina amin’ireny fandrangarangana hery tamin’ny sabotsy teo ireny. Miharihary ny fandikana lalàmpanorenana, fanitsakitsahana ny demokrasia, fanodinkodinam-bolam-panjakana sy harem-pirenena, kolikoly avo lenta,… Manaratsy endrika sy tsy mampipetraka intsony ny hasin’ny fanjakana sy ny fahefam-panjakana, saingy tsy mampihetsi-bolomaso ny mpitondra. Izay fahoriam-bahoaka any toa tsotsorina amin’ny fandrirarirana sy fampanantenana lava. Ny mpanohitra izay mianakendry mamory vahoaka, rahonana hosamborina sy hogadraina, ahetsika hatao fitaovana ny mpitandro ny filaminana, efa fanakiviana sy don-tandroka amin’ny ho avy. Raha hiverenana ny 2009, isan’ny ny filazana ny Filoha tamin’izany ho mpanao didy jadona, mpanao ampihimamba,... no isan’ny natao fitaovana saingy tsy misy tsy miseho izany ankehitriny. Mbola miampy afera maloto amin’ny endriny maro ao anaty Fanjakana. Tao anatin’ny krizy iraisam-pirenena ny taona 2008, saingy ny orinasa isan’ny afaka nampihena ny fahasahiranam-bahoaka tamin’izany saingy ny orinasa isan’ny nahafahana nifehy ny fanararaotana amin’ny vidim-piainana indray aza no notondroina ho nanao ampihimamba, nodorana avy eo,... Izao eo amin’ny fitondrana tsy hita izay afitsoka, jerem-potsiny ny fahoriam-bahoaka, ary izay sahy mijoro haneho fa tsy zaka sy tsy azo ekena intsony izao, dia efa manangasanga any ny hery famoretana. ENCADRE Toa efa misy endrika: “Etat policier” ka toa tsy te hahalala afatsy ny fiarovan-tseza sy fahefana ary hanao izay hibodoana izany faran’izay heriny. Mbola haverina foana ny nambaran’ny mpanao politika anankiray fa “tsy ao anaty voambolan’ny mpitondra efa nanongam-panjakana izany demokrasia sy tany tan-dalàna izany, fa izay hampaharitra indrindra ny fitazonana ny fahefana no ambony indrindra ho azy”. Efa tandindon’ny toe-javatra mety hiseho amin’ny 2023 ny zava-misy ankehitriny ?

Toky R


 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap