airtel

Politique

22-févr-2022

Politique

Fidirana anaty governemanta Tsy te hanimba tena ireo manam-pahaizana

Sample post image

Manana olona tena mahavita azy ve ny antoko sy vondron’antokon’ny fitondrana? Ho avy indray mantsy ny mety ho fikitihana na fanovana governemanta.

22-févr-2022

 Minisitry ny harena an-kibon’ny tany enim-bolana vao voatendry, olona hatao Ambasadaoro aty amin’ny 3 sy 4 taona nitondrana vao manangona “CV”,.... Toerana politika ny toeran’ny minisitra, saingy mila traikefa ara-pahalalana sy ara-teknika ihany koa. Ekena fa maro ny mirangorango toerana sy seza, indrindra fa ny mpanao politika, saingy betsaka no tombotsoa no maha maika azy. Sarotra ho an’ireo manam-pahaizana sy manana traikefa manana etika, ary olona heverina fa mbola madio anefa no hidi-kizo ao anatin’izao fitondrana izao. Fanamby lehibe izany mandray toerana minisitra izany, saingy sarotra ny hanao fahagagana ao anatin’ny lavaka mangitsokitsoky ny tsy fahaiza-mitantana kanefa ny fotoana efa fohy dia fohy sisa hananana, tsy afaka hanao mazia ao anatin’ny lavaka lalina. Noho izany, tsy te hanimba tena ao anatin’io Fanjakana io ny ankamaroan’ny manam-pahaizana. Tsy hoe: tsy mahay ireo minisitra ankehitriny, ireo mpitantana,… fa ny politikam-panjakana sy politikam-pitantanana nentin’izao Fitondrana izao mihitsy no tsy mahomby sy tsy marin-toerana. Vina misavoamboana, diplaomasia manidintsidina,… ankoatra ny efa tsy fahamarinan-toerana tany amin’ny fifidianana. Raha tena nanana olona izao Fitondrana izao tsy nitaredretra tahaka an’io. Ny tonta ihany ve no havadibadika? Sarotra ho an’ny Filoha noho izany ny zava-misy satria ny fanilihana ireo ekipa izay maro no be afera sy manaratsy endrika ilay fitondrana, misy ny tsy mamokatra,… dia mety hampitombo ny mpifandrina ara-politika. Toa endriky ny ho faharendrehan’ny Fanjakana Rajoelina ny zava-misy sy miseho rehetra.

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap