airtel

Politique

09-mai-2022

Politique

Fifampitoriana ao amin’ny CUA Hiakatra fitsarana anio ireo mpanolotsaina 7

Sample post image

Anio 09 mey amin'ny 11 ora no hiverina hatao fanadihadiana ireo mpanolotsaina 07 mianadahy (1 IRK, 6 TIM). Mandra-pikaton’ny dingana rehetra, dia ambany fanaraha-mason’ny fitsarana.

09-mai-2022

Loham-piampangana azy ireo ny fanalam-baraka fahitalavitra sy tambajotra Facebook ary mbola misy hoe: fanompana variraraka, izay nasian’i Clémence Raharinirina hoe: “hono” ny momba an’io. “Marihiko fa misy mpitandrina aminay ilay toriana ary 60 taona noho mihoatra ny 02. Misy fahalalahana tokoa ve eto madagasikara?”, hoy io mpanolontsaina Kaominaly io. Ny tenany izay tratry ny fitoriana maromaro, ka isan’izany ilay fitarihana fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana ny 09 aprily. Fanamarihana efa nataony moa ny hoe: tamin’ny andron’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, fony ny taxi nanao hetsika, dia nahazo alalana mazava tamin’ny Fanjakana sy ny manam-pahefana teto Antananarivo. Mbola notorian’ny mpanolontsaina monisipaly Lalatiana Ravololomanana. Saika nitsikera ny fomba fitantanana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo avokoa moa iro mpanolontsaina ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ny raharaha SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) izay orinasa najoro hikirakira ny lafiny ny fampidiram-bola sy ny fitantanam-bola ao anatin’ny kaominina. Tsy ny mpanolontsaina monisipaly ihany no efa nitsikera, fa efa voahorakoraka ny mpiasa teo am-pananganan-tsaina hatramin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Raharaha hafa mifandraika amin’izany ny fakana vola 11 miliara Ar teo anivon’ny CNaPS, izay notsikafonin’ny mpanolontsaina avy amin’ny mpanohitra ireo teboka maro momba izany sy ireo fitantanana hafahafa. Ny Kaominina tsy mandeha amin’izay laoniny, fa mbola manam-potoana hifampitaritaritana any amin’ny fitsarana.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap