airtel

Politique

15-nov-2021

Politique

Fifanandrinana politika Nifamela i Roland Ratsiraka sy Ravalomanana

Sample post image

Niova ny sary politika! Nifamela ampahibemaso, nifandray tànana, ary naneho ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana Filoham-pirenena sy ny Depiote Roland Ratsiraka

15-nov-2021

 fa tapitra hatreo ny lolom-po sy lolom-po nateraky ny politika. Niravona tetsy amin’ny Hotely Carlton nandritra ny fihaonana sy adihevitra politika notarihin’ny Vondrona Panorama ny lonilony mety efa ho 20 taona latsaka teo amin’ity zana-drahalahin’Itompokolahy Amiraly Didier Ratsiraka Filoha teo aloha ity sy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity. Isan’ny nosokajiana ho mpifandrina politika hatramin’izay ny Fianakaviana Ratsiraka sy I Marc Ravalomanana, indrindra fa niainga teo amin’ny raharaha 2002. Rehefa lasa ny sesin-tany ny Amiraly, dia ity zana-drahalahiny ity indray no isan’ny nifaninana tamin’I Marc Ravalomanana tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny 2006. Naiditra am-ponja in-droa tamin’ny fitondrana Ravalomanana I Roland Ratsiraka. Nanampy mivantana na ankolaka an-dRajoelina hanaisotra an’i Marc Ravalomanana ny Amiraly sy ity zana-drahalahiny ity,… Ny sabotsy teo, nampahatsiahy an’I Marc Ravalomanana I Roland Ratsiraka, fa nogadraina tamin’ny fitondrany. “Mbola misy fanontaniana manitikitika ahy, nisy voalavo nihinana ny tongotro”, hoy izy. “Ny nahatonga anao ohatra ny hoe tsy tia ahy, dia hoe izaho nanagadra azy taloha. Resahiko ny tena marina, nampihatra ny fitsipika sy ny tany tan-dalàna ary ny fanajana ny lalàmpanorenana aho, sarotiny ary tsy nananako havana. Nisy ny fitsarana ary ny minisitra nisahana azy, tsy nisy mihitsy ny “intervention” na fidirako an-tsehatra na indray mandeha aza. Raha ohatra ka nisy izany, dia eto ihany koa aho mba miteny aho hoe: aza tsaraina amin’izany aho, fa tsy izaho mihitsy no nitsara. Raha tia tanindrazana, ka mitahiry zavatra ao am-po, dia tsy hisy zavatra handeha”, hoy I Marc Ravalomanana. Naneho kosa I Roland Ratsiraka fa tsy misy intsony ny lonilony eo amin’izy mirahalahy mianaka, voafafa hatreo ny lonilony. Notsiahiviny aza hoe: fony aho minisitra Atoa Filoha, dia izaho nanantona azy, nanampy azy tamin’ny làlana, fa ireo minisitra sasany ireo tsy nisy nanantona azy”, hoy izy. “Potika ny firenena, mila mijoro isika mianankavy, tiako ilay “image” na ny sary niseho androany satria ny olona nampigadra ahy ihany koa tonga teo…. Zavatra mba tena notadiaviko izany, vita izany, tsy misy lolom-po intsony ireny zavatra rehetra ireny”, hoy i Roland Ratsiraka nanamafy tamin’ny valan-dresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap