airtel

Politique

06-avril-2022

Politique

Fifanarahana ara-pitaovam-piadiana Namono afo ny Minisitry ny raharaham-bahiny

Sample post image

Namaly ny kiana sy ny tsikera samihafa momba ny toe-draharaha ara-diplaomasia manoloana ilay fifanarahana ara-pitaovam-piadiana amin’ny Rosianina ny Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Richard Randriamandranto omaly.

06-avril-2022

 Mitazona ny toerany tsy miandany i Madagasikara, tsy misy hidiran’ny ady any Ukraine ny fanomezana fitaovam-piadiana, fa ny fandriampahalemana sy ny tombotsoan’ny firenena no jerena, araka ny nambaran’io Lehiben’ny Diplaomasia Malagasy io. Nilaza ny tenany, fa tsy midika ho fiandaniana ny fahazoana fitaovam-piadiana fa mitazona ny toerana noraisiny i Madagasikara, ka nanambarany mihitsy aza fa ohatran’ny somary hafahafa ny fijerin’ny olona. “Nahoana no tsy hanana fanampiana amin’ny lafiny fitaovam-piadiana. Ny fitaovana ampisaintsika izao, dia azo tamin’ny Rosianina fony mbola nanana fifandraisana ara-tafika”, hoy ity minisitra ity. Rehefa zohiana, karazan’ny vono afo politika ihany no nataon’ny Minisitra. Marihina rahateo fa fampahalalam-baovao vahiny no nilaza fa nisy ny fifanarahana teo amin’ny Fanjakana roa tonta ny volana janoary, ary nihatra nanomboka ny 25 martsa lasa teo. Nisy ireo dian’ny Minisitry ny fiarovana nakany Rosia, fa tsy nisy tatitra mazava ofisialy. Efa mivoaka ny fampahalalam-baovao vao mivoaka avy any ny Mpitondra mitondra fanazavana sy fiarovan-tena. Midika ihany koa fa tsy nandalo fankatoavana tamin’ny antenimieram-pirenena sy ny antenimierandoholona ity fifanarahana ity, izay azo sokajiana ho saropady. Raha tsy nisy ny ampamoaka nataon’ny fampahalalam-baovao, azo antoka fa tsy niresaka sy tsy nitondra fanazavana momba izany ny Fitondram-panjakana, izay midika fa betsaka ny tsy fangaraharana sy ny kimaizimaizina, ary rehefa vaky am-batolampy ny resaka vao mikorapaka manadio tena sy mitondra fanazavana! Izany ve no atao hoe: Fanjakana tsara tantana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap