airtel

Politique

19-janv-2021

Politique

Fifandresen-dahatra momba ny PEM Mety hanenjana mafy ny mpamatsy vola…

Sample post image

Mbola hiresaka sy hifandresy lahatra amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-

19-janv-2021

 

 


teknika sy ara-bola (PTF) ny Fitondram-panjakana ao anatin’ny fanatanterahana ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar). Tena mila fahaiza-miresaka sy fahaiza-mandresy lahatra, ary ny an’ny PTF mifandraika foana amin’ny ODD (Objectif de Développement Durable) na Tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy hatrany no isan’ny fepetra apetrany. Ny dikan’izay, mety miala sy mihintsana raha vao misy mamofompofona rendrarendra sy “werawera” mitaha amin’ny zava-misy sy iainana eto Madagasikara. Tsindriana ny fahaiza-miresaka sy mandresy lahatra izay hatreto aloha tena mbola tsy kapoakan’ny Fitondrana Rajoelina heverina ho mety tarazon’ny sary ratsy tamin’ny tetezamita. Ao anatin’ny roa taona sy tapany no hanaovana fanamby goavana lazaina fa hanombohana ny tena fanovana an’i Madagasikara. Misy dingana sy lamina ary antanan-tohatra ny famoaham-bola avy amin’ny mpamatsy vola na ny “procédure de déblocage”, fa tsy hoe vita ny resaka anio, dia hivoaka ny vola rahampitso. Mety ho hatrany amin’ny 6 volana raha vetivety ary mety ho an-taonany maro satria misy fandalinana sy fanadihadiana tsy maintsy atao. Hafa indray raha resaka hamehana sy mikasika ny lafiny mahaolona. Asa anefa aloha izay ho fitrangany sy ho fivokan’ny fifampiresahan’ny Fitondram-panjakana amin’ny PTF ?

 Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap