airtel

Politique

10-août-2021

Politique

Fifanolanana amin’ny ben’ny tanàna Hiatrika fitsarana anio i Clémence

Sample post image

Hiakatra fitsarana noho ny raharaha fitorian’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) indray anio 10 aogositra I Clémence Raharinirina, mpanolontsain’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny IRK.

10-août-2021

 “Rahampitso aho no hiatrika ny fitsarana ahy manoloana ny fiampagan'ny CUA ahy ho tompon'antoka tamin'ny fikorontanan'ny mpivarotra teny Behoririka ny 22 Jolay lasa teo, na dia nanatitra ireo taxi nesorina tamin'ny fomba tsy ara-dalàna aza no nidinako teny”, hoy izy omaly tao amin’ny tambajotran-tserasera. Ao amin'ny Salle 02 ao amin'ny fitsarana Anosy no hanatanterahana ny fitsarana, manomboka amin'ny 08 ora maraina. « Isaorako ny Ben'ny Tanàna tsy manao afa-tsy ny manenjika ahy satria efa in-dimy aho izao no notoriany sy ny ekipany tato anatin'ny 11 volana monja. Isaorako ireo mpanolotsaina namana manohana ahy amin'ny fijoroako mandrakariva amin'ny rariny sy ny hitsiny ary isaorako ny antoko TIM nanome mpisolo vava ahy foana niatrehako ireo fitoriana marobe hatramin'izay. Isaorako ianareo rehetra manohana amin'ny fomba sy endrika maro samihafa izay tsy ho voavaliko mandrakizay. Ary amin'ity indray mandeha ity dia isaorako sahady i Maître Willy Razafinjatovo na i Maître Olala izay nanolo-tena hiaro ahy manoloana izao zavatra tsy rariny izao. Misaotra daholo Tompoko o! Andriamanitra be fitiavana sy be famindra-mpo hamaly fitia anareo rehetra. Ny marina tsy mba maty ary ny marina tsy maintsy mandresy”, hoy hatrany i Clémence Raharinirina tamin’ny fampahafantarana nataony tao amin’ny tambajotran-tserasera. Ady tsy vita hatramin’izao ny an’I Clémence Raharinirina ankilany, ary ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy ny ekipany andaniny. Ny eo tsy vita, ny eo misosoka ihany, ka andrasana indray izay ho tohiny!
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap