airtel

Politique

30-juil-2024

FIFIDIANA BEN’NY TANANA

« Tokony hatao amin’ny faran’ny volana Novambra »

Sample post image

Tokony hatao amin’ny faran’ny volana Novambra ny fifidianana Ben’ny tanana ho an-dRandriantsoa Jimmy,

30-juil-2024

Ben’ny tananan’Alasora. Tsy hitako izay antony hanemorana azy io ny datin’ny 11 Desambra hoy izy raha ny vinavinan’ny komity mahaleo tena misahana ny fifidianana izay mbola hakany hevitra any amin’ny filan-kevi-panjakana. Iaraha-mahalala fa efa avy ny orana amin’izany volana Desambra izany ka tsy hay intsony izay tsy manara-dalana na ny CENI na ny filan-kevi-panjakana raha toa ka hanaiky izany. Ny faran’ny volana Novambra no tolo-keviny raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana ity tamin’ny mpanao gazety hatrany. Mikasika ny asan’izy ireo manokana dia nomarihiny fa tsy fampandehanan-draharaha fotsiny akory no hataon’ny Ben’ny tanana amin’izao fa tena miasa manasoa ny vahoaka izy ireo. Ho an’ny kaominina Alasora manokana dia anisan’ny nosinganiny manokana ny famolavolana ny teti-bolan’ny kaominina taona 2025 ka tafiditra ao anatin’ny asa hotontosaina ny fanatsarana sy fanamboarana ny biraon’ny kaominina, ny fananganana ny tranon’ny zandary ao amin’ny Fokontany Ambohitanety ho enti-miady amin’ny tsy fandriampahalemana….
Pati
Legende : Miasa manasoa ny vahoakan’Alasora tsy mitsahatra ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy !
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap