airtel

Politique

01-avril-2022

Politique

Fifidianana 2023 Hikorontana raha tsy mazava ny fitsipi-dalao

Sample post image

Herintaona sy tapany mialohan’ny fifidianana Filoham-pirenena 2023 isika amin’izao fotoana izao raha ho voatazona ny lojika ara-tetiandro.

01-avril-2022

 Mbola maro anefa ny lesoka: mahatratra 3 tapitrisa ireo mpifidy tsy voasoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidiananana, misy zaza tsy ampy taona sy olona efa nodimandry ary olona tsy tokony hifidy kanefa ao anaty lisitra, anarana miverin-droa na “doublons” an-tapitrisany miampy karapanondrom-pirenena mitovy laharana ao anaty lisitra, fanavaozana tantraka na “réfonte” ho an’ny lisi-pifidianana voafaritry ny lalàna fa tsy maintsy hatao isaky ny 10 taona, kanefa ny 2012 no nanaovana an’io farany. Ny kara-pifidianana, dia isan’ny lesoka be hatrany, ary voasokajy ho loharano hihavian’ny hosoka. Etsy andaniny, ny resaka lalàna misy fahabangana be: ny resaka “pré-campagne” izay tsy misy lalàna mazava, ny famerana ny vola betsaka indrindra azon’ny kandida ampiasaina, ny tsy fiandanian’ny fitantanan-draharaham-panjakana,… Maro ny miahiahy amin’izao amin’ny tsy hisian’ny fifidianana madio sy mangaraharaha raha tsy misy aloha ny fandaminana goavana momba ny fitsipi-dalao. Raha ny vondrona politika mpanohitra no miantsoantso hisian’ny fikaonandoham-pirenena, dia hatramin’ny firaisamonim-pirenena ankehitriny no maneho ny ahiahiahiny, ary manipika fa tena mila alamina ny zava-drehetra, mila fikaonan-doha sy fametrahana fitsipika mazava raha tsy tiana ho fifidianana loharanon’ny korontana no hiseho eto. Heverina ihany koa etsy andaniny, fa efa manara-maso akaiky ny fahatanterahan’ireo fepetra ara-pifidianana ny sehatra iraisam-pirenena, izay miara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika amintsika. Marihina rahateo, fa manara-maso hatrany, ary maka lesona sy tsoa-kevitra tamin’ny fifidianana efa nandeha izy ireo. Manomboka mitodika any amin’ny teboka iraisina hisian’ny fitsipi-dalao sy kianja politika milamina, mialohan’ny hiakarana eo an-kianjan’ny fifidianana ny hery samihafa eto amin’ny firenena, ankoatra ireo mety efa manana paikady hafahafa amin’ny fiheverana fa tsy ilaina izany.

Toky R

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap