airtel

Politique

12-avril-2022

Politique

FIFIDIANANA 2023 Iza marina no tena mafy

Sample post image

Ny volana novambra 2023 no hirosoan’i Madagasikara indray amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, raha tsy misy ny fiovana.

12-avril-2022

Karazan’ny fiomankomanana amin’ny taom-pifidianana no atrehintsika izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny fikaonandoham-pirenena, fanamboarana ny lalàm-pifidianana, fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, ary misy miantso hatramin’ny fakan’ny miaramila fahefana handamina ny zava-drehatra aza. Na ho ela na ho haingana tsy maintsy ho tonga amin’ny fifidianana. Iza no tena mafy amin’ireo mety ho kandida?
HO MAFY AMIN-DRAJOELINA
Efa misy ireo tsanganan’olona fantatra na fantampatatra ny mety ho firotsahany. Lohalaharana ny Filoha am-perinasa Andry Rajoelina, izay manana ny fahefana eo am-pelantanany ankehitriny, saingy tsy maintsy hiala 60 andro mialoha. Sokajiana ho kandida mafy sy matanjaka amin’ny maha Filoha am-perin’asa azy, azy ny rafitra sy ny olona mitazona ny fahefam-panjakana na hiala aza izy. Kandida heverina fa tena hanatosaka vola tsy toko tsy forohana satria ny fifidianana 2018 aza dia voalaza fa nampiasa volabe manodidina ny 180 000 000 dolara. Misy amin’ireo mpandraharaha matanjaka mpifehy ny toekarena eto tahaka an’Atoa Mamy Ravatomanga sy ny karana no ao an-damosiny hatramin’ny 2009 ary misy ny tena sahy manatosaka vola tsy toko tsy forohana. Tena mbola manana fitokisana feno an-dRajoelina ve anefa ireo amin’izao? Mbola sahy hanatosaka volabe sa hitandrina sy hitady soavaly hafa eo anatrehan’ny tsy fahombiazan-dRajoelina mampihen-danja azy ary ahiana tsy ho lany intsony tahaka ny nahazo an-dRajaonarimampianina. Risika be ny hiantehitra aminy ary ahiana tsy hitaingina soavaly maty ireo tompon’ny vola, ny vahoaka efa maro no tofoka sy leo fahadisoam-panantenana. Voasokajy ho filoha tsy mahay nitantana indrindra i Andry Rajoelina, ary ho resy raha ny lojikan’ny zava-misy: fahantrana, kolikoly, toekareea mitotongana,… 11,54% amin’ny velirano no vita, raha ny ambara fa tsapan-kevitra na “sondage” iray nivoaka ny faran’ny herinandro teo, kanefa dia lazaina fa 53% nilaza fa mety hanome ventana an-dRajoelina, izay toa hoentina mandemy ny saim-bahoaka amin’ny kajikajy.

HAHATSIAROVAN’NY OLONA AN-DRAVALO
Heverina ho mbola ho kandida ihany koa Atoa Marc Ravalomanana, izay laharana faharoa tamin’ny fifidianana Filoha farany teo. Niainga tamin’ny 2009 ny fifanandrinana mivantana teo aminy sy i Andry Rajoelina, izay nanehoan’i Marc Ravalomanana fa nandefitra hatrany izy hisorohana ny rà mandriaka ka isan’izany ny fifidianana 2018. Voalaza fa nisy fety lehibe nahitana ireo avy amin’ny Solotenan’ireo firenen-dehibe maro nialohan’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana ny 08 janoary 2019, ary efa niarahaba an’i Marc Ravalomanana ireo, saingy nitsimbadika ny tantara avy eo. Matetika no maneho fa tsy hanaiky lembenana intsony, ary miantso ny mpanohana azy hiomana. 13 taona niala tamin’ny fitondrana i Marc Ravalomanana, mety manana ny fahalemeny na nihen-danja ny Antoko TIM noho ireo ekipany sasany nisintaka na namadika, saingy azo lazaina ho manana fototra politika, nahatazona ny fisiany tao anatin’ny 24 taona ny TIM niainga tamin’ny Tiako Iarivo, fa mbola eo hatrany, nitazona ny maha izy azy na ny “identité”, raha toa ka lefy sy niditra hatrany tamin’ny “marketing politique” tahaka ny TGV izay niovaova teny: MAPAR, IRMAR, IRD, IRK,… Maro ny mahatsiaro ny fitondrana Ravalomanana noho ny fahantrana lalina ankehitriny, ary betsaka fa ny namotehana azy, dia tsangam-baton’ny famotehana an’i Madagasikara, ary io iaraha-mahita io ny vokany.
OLONA NIARA-DIA TAMIN-DRAJOELINA METY HISINTAKA
Tahaka ny nahazo an-dRajaonarimampianina ny 2018, ahiana ho maro ny olona miara-dia amin-dRajoelina hisintaka, ary mety ho kandida mihitsy. Tombanana tsy ho tontonga ho azy ny nipoiran’Atoa Mamy Ravatomanga nanao fandaharana tamin’ny haino aman-jery na milaza aza fa manohana an-dRajoelina. Nanao resaka miendrika politika sy famondronan-kery, mivoy ny fitiavan-tanindrazana ara-toekarena na “patriotisme économique”. Na tsy manao politika mivantana aza dia sokajiana ho manana “influence” na karazana hery lehibe ara-politika eto, ary afaka mampiteny ny volany sy ny hareny. Tena mbola mahatoky tanteraka an-dRajoelina ho lany tokoa ve sa efa manana kajy hafa? Fotoana fohy taorian’iny, nipoitra nanao fandaharana tamin’ny fahitalavitra ny ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Naina Andriantsitohaina, izay eo ny resaka olan’ny CUA, saingy heverina fa misy kajy manokana, ary misy ifandraisany ny fandarahan’izy roalahy ireo na eo aza ny raharaha kaominina nafampana. Iny nisintaka tao anatin’ny governemanta iny Atoa Hajo Andrianainarivelo izay tombanana ihany koa fa niomana sy miomana ho kandida indray tahaka ny tamin’ny 2013, izay nahazoany ny laharana faha-3. Tsikaritra ho mandavaka fifandraisana sy fanohanana avy any ivelany raha ny sary mivoaka, ary mety ho “Plan B” na paikady fiandrin’ireo mety mahatsapa sy tsy mahatoky ny mbola hahalanian-dRajoelina. Mandeha ihany koa ny resaka amin’ny mety haha kandida an’i Siteny Randrianasoloniaiko, izay depiote lany tamin’ny anaran’ny IRD, saingy tsikaritra hatry ny ela ny fisarahan-dàlana. Voalaza fa mety hiketrika kokoa ny vaton’ny avy any amin’ny faritra.
MIOMANA RAJAO SY NY HVM
Tombanana ny mbola haha kandida an-dRajaonarimampianina izay mihevitra hanao “retour en force” taorian’ny 8% tamin’ny 2018. Firesaky ny HVM matetika ny hoe: lavo, naka lesona, ary miarina sy manarina. Miomana ary manomana ny olony HVM, ary mbola manantena fa azo atao ny miverina maka fahefana. Manantena ny HVM fa ny vokatra tamin’ny fitantanana firenena no hitsaran’ny vahoaka, ary ny azy ireo no akaiky indrindra talohan’izao ka mbola tsaroan’ny olona. Tsy nisy zavatra maro notokanana raha tsy niasa tokoa i Hery Rajaonarimampianina, hoy ny antokony tamin’ny desambra 2021 teo. Malaza fa mety ho kandida ihany koa Atoa Andry Raobelina, olona niara-dia tamin’ny HVM, mpandraharaha manana haino aman-jery, ary voalaza fa akaiky ny fiangonan-dehibe iray,… Mety ho ny iray amin’ireny anarana mandehandeha ireny tokoa ve no hahazo fahefana amin’ny 2023 sa mety ho tsanganana hafa sy olona tsy hampoizina ?
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap