airtel

Politique

13-juin-2022

Politique

Fifidianana 2023 Manomboka ny famotehana ireo mety ho kandida

Sample post image

Voaantso hatao fanadihadiana eny amin’ny BIANCO (Bureau Indépendant Anti-corruption) Atoa Rakotovao Rivo Mpandrindra Nasionalin'ny Antoko HVM, anio 13 jona 2022 amin’ny 9ora sy sasany maraina, araka ny taratasy

13-juin-2022

navoakan’io Birao misahana ny ady amin’ny kolikoly io, mitondra ny datin’ny 21 martsa 2022. Ahiahiana kolikoly, fanodinkodinana volam-panjakana, ary fanararaotam-pahefana tao amin’ny Antenimierandoholona tamin’ny taona 2019 mahakasika mpitantana maromaro tamin’izany no voalaza fa antony, ka tafiditra amin’izany ity Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha sady efa Filoham-panjakana nandritra ny fifidianana tamin’ny taona 2018 ity. Nilaza nny hamaly ny fampiantsoan'ny Bianco moa ny tenany, araka ny fanambarana nataon’ny Antoko HVM. Nampametra-panontaniana azy ireo anefa ny tranga misy hoe: fa maninona no amin'izao volana jiona izao ny fampiantsoana no atao raha toa ka efa tamin'ny volana martsa ny daty voalazan'ny taratasy fampiatsoana? Aiza ho aiza ireo raharaha maro izay milona ao amin'ny BIANCO fa toa lasa isafidiana olona ny raharaham- pitsarana ? Noho izany, manantena hatrany ny fahaleovan-tenan'ny fitsarana ny antoko mba tsy hatao fitaovana politika ny BIANCO. Miantso ihany koa ny firaisan-kinan'ny rehetra amin'ny fiadiana amin'ny mety ho endrikin'ny tsindry ara-politika ao ambadik'izao raharaha izao, hoy ny HVM.
PEHANA IZAY ATAHORANA AMIN’NY 2023 ?
Mpanao politika no voaresaka eto, ary maro sahady no mieritreritra fa mifamatotra amin’ny kajikajy politika itony fanetsehana dosie itony fa tsy tongatonga ho azy. Heverina fa efa karazana fandemena ara-politika mifandraika amin’ny fifidianana 2023. Izay mamofompofona firotsahan-kofidiana na mety manana tanjaka ara-politika dia petahina avokoa. Vao nandeha, ohatra, ny resaka sy ny feo fa mety ho kandida Atoa Siteny Randrianasoloniaiko, dia nisy ny fampanantsoan’ny Bianco, ary voalaza fa efa in’efatra nahazo fampanantsoana raha ny vaovao niparitaka tany amin’ny septambra 2021 ka isan’ny miandry azy ny dosie momba ny fitantanana ny antenimieram-pirenena fony izy kestora raha vao mihetsiketsika eo. Io ihany koa ny raharaha Rivo Rakotovao izay tsy mbola misy resaka ny mety haha kandida azy, saingy manana ny toerany ao anatin’ny HVM, manana tombony amin’ny politika amin’ny maha efa Filoham-panjakana azy. Ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana moa dia io tratry ny henjika sy gafy tsy an-kijanona io. Vao tsy ela no nifanantona ny mpanohitra, ary miezaka mampitovy tadin-dokanga ka ezahina pehana aloha izay azo pehana ? Ny dosie maloto samihafa mahasaringotra mpitondra etsy andaniny mangina: bonbons sucettes 8 miliara Ar, écran plat 200 tapitrisa Ar mahery, raharaha SMMC Toamasina, ampamoaka amina miliara tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, volan’ny covid-19 nanaovan’ny “cour des comptes” tatitra, fitantanana tsy mazava ny volan’ny CNaPS.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap