airtel

Politique

18-oct-2021

Politique

Fifidianana 2023 Mety ho sahirana amin’ny any Atsimo i Rajoelina

Sample post image

Efa tafiditra ao anatin’ny fidirana an-tsehatra ara-politika na « rentrée politique » ho fanomanana amin’ny fifidianana 2023 isika amin’izao fotoana izao na tsy tena miharihary amin’ny fomba ofisialy aza io.

18-oct-2021

 Manomboka mihetsiketsika ny herivelona ara-politika samihafa manomana ny paikady sy mijery izay hametrahany ny tongony. Manomboka mitsoaka ny rivotra politika samihafa. Mihetsiketsika fatratra te haneho sary fa mbola “mamim-bahoaka” ny Filoha am-perin’asa, ary miezaka milalao sary, manao serasera manaka-danitra handaniam-bola be,… Mbola mipetraka aloha ilay fifanoheran-kevitra tao anatin’ny 15 taona teo ho eo, misy eo amin’ny politisianina roa lehibe dia I Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, na koa ny hoe “TIM” sy “TGV”, saingy efa manomboka mipoitra ihany koa ny heverina ho hery fahatelo. Io hery fahatelo io no mety hanimba ny kajikajin’ny Fitondrana Rajoelina. Mpanao politika iray lehibe, olom-boafidy avy any Atsimo no manomboka re siosio fa ho kandida amin’ny taona 2023. Ny tapany Atsimo anefa no isan’ny nahazoan’I Andry Rajoelina vato betsaka indrindra. Raha ny zava-misy ankehitriny, tsy ho voatazon’I Andry Rajoelina velively ny vato 2 500 000 teo ho eo azony tamin’ny fihodinana faharoa. Teboka miabo ho an’ny mpanohitra na ho an’I Marc Ravalomanana tenany ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana ankehitriny, ary mety ho voatazony ny 2000 000 nifidy azy, ary mety hitombo eo anatrehan’ny tsy fahombiazan’ny fitondrana ankehitriny. Mandeha ny tombatombana ankehitriny, fa raha misy kandida avy any amin’ny faritra, ka mitambatra ireo "Triangle des Nord" diso fananantena tamin’ny fampanantenana poakaty hiakaran’ny vidin’ny lavanila ho avo telo heny kanjo nitotongana tanteraka ka mifanohana amin’ny "Grand Sud", izay mety hanana kandida, dia ho very tanteraka I Andry Rajoelina satria tsy maintsy hifidy olona avy ao aminy izay tena mahalala ny olany ny any Atsimo.
LESOKA NY TSY FANDRAISAN’ANJARAN’NY MPFIDY
Manodidina ny 50% eo hatrany ny taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana eto, ka any amin’ireo no mety 50% ambiny no mety ho lakile hoe: hitodika aiza? Petra-kevitra iray ny hoe matoa ireo tsy nifidy an’I Marc Ravalomanana na I Andry Rajoelina tamin’ny 2018, dia tsy resy lahatra. Azo lazaina ho tsy mitombina ihany koa anefa io satria kandida manodidina ny 30 ho an’ny fiodinana voalohany, saingy mbola mitovitovy amin’izay ny tahan’ny tsy fandraisana anjara, izay midika fa tsy miraharaha ny raharaham-pirenena ny antsasa-manilan’ny Malagasy. Any no miteraka tsy fahamarinan-toerana ara-politika satria ratsy fidy ilay Filoha. Zara raha ny 25% amin’ny 10 tapitrisa anaty lisi-pifidianana no nifidy azy. Lasa mora ny mangala-bato sy manodinkodina voka-pifidianana satria ambany loatra ny taham-pandraisana anjara, izay manamora ny fahafahana manovaova azy. Na eo aza izany rehetra izany, ny sarisary miseho ankehitriny, dia manamafy fa ho sarotra amin’ny Fanjakana Rajoelina ny 2023.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap