airtel

Politique

29-nov-2022

Politique

Fifidianana 2023 Nihaona tamin’ny filohan’ny HCC ireo iraky ny SADC

Sample post image

Mijery ny zavamisy eto Madagasikara mialohan’ny irosoana amin’ny tetiandrom-pifidianana ireo iraky ny vondrona SADC ka taorian’ny mpanao politika isan-karazany,

29-nov-2022

ny firaisamonim-pirenena dia nihaona amin’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na ny HCC, Florent Rakotoarisoa teny Ambohidahy izy ireo omaly. Nanontany ny SADC hoe mba aiza ho aiza ny tohin’ireo fanamarihina sy sosokevitra nataony taorian’ny fifidianana filoham-pirenena no tanterahana ny taona 2018 ; tahaka ny vondrona eoropeana mantsy dia nanolotra sosokevitra mba ho fanatsarana ny zotram-pifidiananana ny SADC, izay azo atao hoe mahalala tsara ny raharaha politika eto Madagasikara satria izy ireo no mpanelanelana sy mpandamina taorian’ny krizy 2009. Misy mantsy ny fitsipika sy fomba fiasa eo anivon’ity vondrona ity izay maha mpikambana feno an’i Madagasikara raha ny fampiharana sy fanajana ny demokrasia no resaka.Matoa nisy ny fanamarihana dia nisy izany ny zavatra tsy nety, ary mialohan’ny nahatongavan’ireo iraka manokana ireo teto dia azo antoka fa efa nanangom-baovao aloha ny SADC hoe ahoana sy ahoana marina ny tontolo politika ao Madagasikara ao. Tsy manosi-boho-tanana ary mandray tsara ireo fikambanana avy any ivelany tonga eto izahay ato amin’ ny HCC hoy ny filohany, Florent Rakotoarisoa, mbola notohizany fa hoe : tsy misy ny olona tapi-pahaizana fa mila mianatra foana. Ny fitsrana avo momba ny lalampanorenana moa no nitsara ny fifidianana sy namoaka ny voka-pifidianana ofisialy tamin’ny 2019, ary fehezanteny nalaza tampoka tamin’izany otoana momba ireo fitoriana sy fitarainana ilay manao hoe : « azo raisina fa tsy mitombina », fony Jean Eric Rakotoarisoa filohan’ny HCC. Mbola hiverina eto Madagasikara amin’ny fotoana manaraka moa ny SADC. Ary efa miha mazava fa tsy maintsy hiatrika fifidianana i Madagasikara amin’ny herintaona.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap