airtel

Politique

13-mai-2024

Fifidianana ao Ambatofindrahana

Hatao izay tsy hahalany an’i Christine Razanamahasoa…

Sample post image

Mafampana ny fifanandrinana politika ao Ambatofinandrahana.

13-mai-2024

Mandeha ny fomba rehetra hoentina manao izay tsy hahalany an-dRtoa Chrtistine Razanamahasoa ho depiote. Manahirana ny fitondrana, ary hanaratsy endrika azy ny hoe : olona efa naongana kanefa mbola naverin’ny vahoaka. Mirona makany amin’izany anefa ny sary politika mitranga any an-toerana amin’izao fotoana izao satria arakaraka ny nanenjehana azy no vao mainka mampihetsika ny hambom-pon’Ambatofinandrahana hamerina azy ho depiote indray. Nitambatra ho ao an-damosiny ny herivelona samihafa, tsy nandrotsaka kandida ny vovonan’ny mpanohitra fa nisafidy ny hanohana azy, ary olon’ny TIM rahateo no lisitra faharoa miaraka aminy, izay ny vahoaka ihany koa no nisafidy sy nanolotra an’io. Andaniny kosa, mandeha ny angaredona avy amin’ny ankolafin’ny fitondrana manao izay fomba rehetra hampandaniana ny kandida IRMAR Richard Razafindrabary. Taorian’ilay kabarin’ny Tale Kabinetran’ny CENI izay voalaza ankehitriny fa efa nametra-pialana nilaza fa hanao izay mety hampandaniana io kandida io, dia nanao bemidina tany Ambatofinandrahana ity farany, ny mpampankateniny jeneraly eo anivon’ny Antenimierandoholona, ny Filohan’ny AFF Rtoa Haingo Ravatomanga,… Miharihary ny tanjona dia ny handresena an-dRtoa Christine Razanamahasoa ka asa izay ho sary mitranga ao Ambatofinandrahana hoe : horesena ara-taratasy sy eny an-databatra ao amin’ny CENI sy ny HCC tahaka ny efa nanonganana azy ve izany ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha ? Hanao ahoana ny ho fihetsiky ny vahoakan’Ambatofinandrahana raha izay no sary hitranga ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly

Card image cap
16-janv-2025

Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.

Card image cap
16-janv-2025

Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana

Card image cap
16-janv-2025

Azo lazaina ho takon’ny fiarovan-tseza tanteraka izany izao ny fiheverana izay hampandrosoana ny firenena

Card image cap
15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap