airtel

Politique

16-mai-2024

Fifidianana

Niampy 587 320 ny mpifidy, nitombo 749 ny birao fandatsaham-bato

Sample post image

๐–ญ๐—ˆ๐–ฟ๐–บ๐—‹๐–บ๐—‡๐–บ๐—‡๐–บ androany ๐Ÿฃ๐Ÿง ๐—†๐–พ๐—’ ๐—‹๐–พ๐—ƒ๐—‚๐—Œ๐—‚-๐—‰๐—‚๐–ฟ๐—‚๐–ฝ๐—‚๐–บ๐—‡๐–บ๐—‡๐–บ ๐—‡๐–บ๐—Œ๐—‚๐—ˆ๐—‡๐–บ๐—…๐—’ ๐–บ๐—๐—‚๐—๐–บ๐—‡๐–บ ๐—‚๐—‹๐–พ๐—ˆ ๐—…๐—‚๐—Œ๐—‚๐—๐—‹๐—’ ๐—‡๐—’ ๐—†๐—‰๐—‚๐–ฟ๐—‚๐–ฝ๐—’ ๐—‚๐—Œ๐–บ๐—„๐—’ ๐—‡๐—’ ๐–ฝ๐—‚๐—Œ๐—๐—‹๐—‚๐—„๐–บ.

16-mai-2024

Nitombo 587 320 manome 5,32% ny lisitry ny mpifidy izay nifarana tanteraka androany 15 mey 2024. Eo amin’ny 11 631 156 izy amin’izao, raha 11 043 836 tamin’ny fanavaozana farany ny taona 2023, araka ny tatitra voaray avy amin’ny CENI omaly. Ny Faritra Analamanga no nahitana fitomboana betsaka indrindra raha eo amin’ny isan’ny mpifidy satria nahatratra 109 758 saingy eo amin’ny 5,97% ny fitomboana. Ny Faritra Androy no nahitana taham-piakarana be indrindra satria nahatratra 10,85% tamin’ny alalan’ny mpifidy 40 998. Ny Faritra Sofia kosa no ambany indrindra ny taham-piakarana izay teo amin’ny 3,26% ka 21 175 ny isan’ny mpifidy vaovao. Raha tsinjaraina isaky ny faritany kosa dia nitombo 169 914 ny faritanin’Antananarivo, 148 487 ny tany Toliara, 109 171 ny tao Fianarantsoa, 66 593 ho an’i Toamasina, 54 225 ho an’i Mahajanga, ary 38 931 ho an’Antsiranana. Araka ny antontan’isan’ny CENI hatrany, dia 740 803 ny mpifidy nampidirina, ary 153 486 no nesorina. Momba ireo vao nampidirina, nahatratra 191 623 na 25,87% ireo « Primata » na ireo vao feno 18 taona nanomboka ny 20 jolay 2023 ; 86 022 na 11,61% ny « Omnis » na mpifidy tsy tafiditra tao anaty lisitra tamin’ny « refonte » ; ary 62,52% kosa ireo « Autres » na mpifidy tsy tafiditra hatramin’izay, mpifindra monina,…Ireo no manome ilay 740 803. Mikasika ireo nesorina kosa dia 200 ireo voafonja izay manome 0,13% ; 39 872 ireo maty izay manome 25,98% ; 113 412 kosa ireo nifindra monina izay nanome 73,89%, ka ireo no nanome 153 486. Momba ny firafitry ny Birao fandatsaham-bato kosa dia nisy fiakarany 2,74% ka raha 27 375 izy taorian’ny fanavaozana manontolo ny taona 2023, dia niakatra 28 124 izany hoe : raha kajikajiana dia niampy 749 ka ny 626 biraom-pifidianana nozaraina ary ny 123 biraom-pifidianana vaovao. Ny lisitry ny mpifidy nofaranana tanteraka androany no hampiasaina amin’ireo fifidianana rehetra mialohan’ny 15 mey 2025, izany hoe ny fifidianana Solombavambahoaka sy ny fifidianana Ben'ny tanàna.
Toky R

 

Dans la mรชme rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho anโ€™ny malagasy ny maodely ara-toekarena โ€œnรฉolibรฉralโ€,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo aminโ€™ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisinโ€™ny Filohanโ€™ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajร na ny atao hoe demokrasia ho anโ€™ny FLN na Front de libรฉration national dia

Card image cap