airtel

Politique

18-janv-2022

Politique

Fifikirana amin’ny fahefana Misy te hanova mafy ny lalampanorenana

Sample post image

Ny kabarin’ny Filoham-pirenena ny 31 desambra 2021 hariva no nanomboka naha be resaka ny amin’ny fe-potoam-piasan’ny Filohan’ny Repoblika.

18-janv-2022

Nanambara i Andry Rajoelina tamin’izay fa mila fifandimbiasam-pahefana in’efatra ao anatin’ny fitoniana sy ny filaminana vao hitovy amin’ireo firenena misandratra i Madagasikara. Taorian’izay dia resabe sy adihevitra tetsy sy teroa ny hoe mieritreritra hijanona maharitra eo amin’ny fitondrana ve izany ny filoha ankehitriny, sa mba resaka sendra naloaky ny vavany fotsiny ihany iny.Dia efa somary nangingiana teo iny, saingy ny faran’ny herinandro teo tao amina fandaharana tamina fahitalavitra tsy miankina iray dia nilaza indray ny olom-boafidy avy amin’ny antokon’ny fitondrana fa mety ho lasa mandroso be tahaka an’i Dubai i Madagasikara raha mahavita fotoam-piasana efatra eto ny Filoha am-perinasa ankehitriny; niverina indray ny adihevitra.
KITSAPATSAPA
Mipetraka eto ny fanontaniana : dia raisina ho kisendrasendra ve ny fanambaran’ny Filoha sy ity olom-boafidy , heverina fa manana ny maha izy azy ity ? Amin’ny politika anefa tsy misy ny kisendrasendra fa kitsapatsapa angamba no fomba ilazana ilay paikady.Inona moa izy io fa tsy karazana fomba fiasa iray hamoahana vaovao , tena aparitaka mihitsy dia jerena izay fandraisan’ny olona azy.Na ny etamazaoro politika io, na ny eo anivon’ny asam-panjakana, ny sehatra tsy miankina, ny avara-pianarana, ny sehatra iraisam-pirenena sy ny maro hafa.Ka rehefa hita hoe maivamaivana ny fanoherana dia hirosoana ilay fanapahan-kevitra, raha toa ka mafy be kosa dia mihemotra kely aloha maka saina.
INONA ANEFA NO TENA TANJONA
Miha mazava ankehitriny fa te hikitika ny lalampanorenana i Andry Rajoelina sy ny ekipany, satria tsy mampahazo aina azy ireo ilay izy. Zavatra tsy dia mahagaga ihany satria tanjon-dry zareo tamin’ny nanoratra an’io nandritra ny fitonndrana tetezamita ny hamparefo sy tsy haha maro-pototra izay fitondrana mijoro eo.Da iny niaraha-nahita iny ny nanjo an’i Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM, nataon’ny olona indray mandrapaka dia rava ny tsena. 5 taona, azo havaozina indray mandeha ihany no fe-potoam-piasan’ny Filoham-pirenena eto Madagasikara amin’izao fotoana; raha tsy misy korontana politika dia manana 10 taona izany hanatanterahana ny fandraharana heveriny fa hampandrosoana ny firenena sy hanatsarana ny fiainan’ny Malagasy izay Filoha mitondra eto. Ny roa taona tamin’ny fe-potoam-piasan’i Andry Rajoelina dia maloky ny valanaretina Covid 19 ary tena latsaka ambany ny toekarena, maro ny seha-pihariana nitondra faisana.Amin’izao 2021 izao, fahatelo taonan’ny fitondrana TGV Mapar, dia mbola tsy fantatra be ihany hoe mankaiza marina i Madagasikara, ary na ilay drafi-pampandrosoana IEM aza tsy re intsony. Mahafantatra tsar any mpitondrana ankehitriny fa maro ny zavatra nampanantenainy no tsy ho vita ary misy aza mbola tsy natomboka mihitsy.Izay angamba no mety mampitsiry ny hevitra any ambadimbadika any hoe : inona no tokony hatao mba hampaharitra eo amin’ny fitondrana ? Kanefa moa izay tokoa ve ny vahaolana mahomby amin’izao rivotra politika sy sosialy miamboaravoara be izao ihany, ary ny olom-pirenena dia efa manomboka leo ireo resabe sy fampanantenana kanefa ny vidim-pary sy menaka ary ny sakafo ilaina amin’ny fiainana isan’andro aza tsy hitan’ny fanjakana izay handrindrana sy handaminana azy !


Tsy hoe ratsy ny fanovana lalampanorenana fa kosa mila fandinihana sy fandalinana lalina.Maro ny efa soso-kevitra momba azy io, tahaka ny hoe asio karazany 3 na 4 azo isafidianana.Misy koa ireo mpanao politika no mitaky fampihavanam-pirenena sy fikaonan-doham-pirenena mialohan’ny handrafetana lalampanorenana vaovao.
RTT
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap